Dans la mme rubrique

Praiminisitra Solonandrasana Efa manao izay hanesorana azy

18/08/2017

Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany ho an’ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier sy ny fanjakana Rajaonarimampianina manontolo ny nivoahan’ilay taratasy,

Praiminisitra Solonandrasana Efa manao izay hanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara sy Aostralia Hiara-kiasa ny parlemanta

18/08/2017

Taorian’ny fifampiresahany tamin’ny filoham-pirenena dia nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy

Madagasikara sy Aostralia Hiara-kiasa ny parlemanta

Hamaky ny tohiny...

Fitsidihana ofisialy any Afrika Hitondra ny vady aman-janany ny praiminisitra

17/08/2017

Nahazo fanasana avy amin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma hiatrika ny fivoriana faha-37 ho an’ny firenena mpikambana eo anivon’ny SADC hatao ny 19-20 aogositra any Afrika Atsimo ny fanjakana Malagasy.

Fitsidihana ofisialy any Afrika Hitondra ny vady aman-janany ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Sakantsakana amin’ny fifidianana 2018 Tsy azo ekena, hoy ny Amerikanina

17/08/2017

Nihaona tamin’ny Praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier teny Mahazoarivo ny Delegasionina mafonja avy amin’ny kongresy Amerikanina omaly.

Sakantsakana amin’ny fifidianana 2018 Tsy azo ekena, hoy ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary Miahiahy azy ny HVM

17/08/2017

Resaka efa nandeha ny hirotsahan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018, fa nodisoiny.

Paul Rabary Miahiahy azy ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Ezahana ho mangarahara, hoy ny CENI

17/08/2017

Efa eny anivon’ireo biraom-pokontany manerana ny nosy avokoa amin’izao fotoana ny lisi-pifidianana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI, omaly, tetsy amin’ny foibeny Alarobia.

Lisi-pifidianana Ezahana ho mangarahara, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

May ny endim-boanjon’ny HVM Raikitra ny fizarazaran-javatra

17/08/2017

Manetsiketsika izay rehetra azo hetsehina hahafahana manakona ny tsy mety natao tao anatin’ny 4 taona latsaka kely ny mpitondra HVM amin’izao fotoana izao.

May ny endim-boanjon’ny HVM Raikitra ny fizarazaran-javatra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Brunel Razafitsiandraofa “Fanapahan-kevitra mamotika no misy eto”

17/06/2017

Ny fitondrana ankapobeny mihitsy no tsy misy ilana azy intsony ary tsy mamaly ny filan’ny vahoaka, fa ny vahiny no harovana eto, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo,

tamin’ny alalan’ny MAPAR Razafitsiandraofa Jean Brunel. Manana foloalindahy be galona maro isika, kanefa tsy natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa hiaro ny vahiny. Efa noporofoin’ny filoha tamin’ilay horonantsary fotoam-bita izany fa miaro ny vahiny izy, hoy ity depiote ity. Rehefa ny vahiny no harovana dia mipoitra daholo izy rehetra, fa rehefa ny vahoaka no mila azy dia tsy ampy olona, tsy ampy fitaovana, tsy manana solika ... Singa anisan’ny mahatonga ny mpiray tanindrazana hiteny fa tsy mahaleotena isika. Rehefa jerena ny fanapahan-kevitra toy ny lalàna nolanianay teo anivon’ny antenimieram-pirenena fotsiny, dia nisy ny mametraka fa ny teratany Malagasy dia tsy mahazo mikitikitika ny merkiora fa tsy maintsy miantso vahiny rehefa hikirakira azy kanefa nofidiana tao amin’ny antenimieram-pirenena io, hoy izy. Raha jerena ny mikasika ny fiainana andavanandro dia tsy mamaly ary tsy mankany amin’ny mpiray tanindrazana mihitsy ny fanapahan-kevitra raisina, toy ny vola vaovao vao havoaka. Ny an’ny olona rehefa mitombo ny harinkarena dia miha kely ny ravim-bola. Ny antsika kosa vao mainka hampitomboina. Porofo io fa mihena sy ahena ny sandan’ny vola ary mitsotsorika mankany amin’ny fahantrana. Tsy mamaly ny hetahetan’ny vahoaka ny fepetra raisin’ny fitondrana !

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana