Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Nila vonjy tamin’ny Papa François

18/10/2017

Niteraka adihevitra na teo anivon’ny fiarahamonina na tany anaty etamazaoro politika isan-karazany tany ny antony tsy maintsy nandehanan’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina tany Roma Italia nanatrika ilay fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny sakafo ny 16 oktobra lasa teo.

Hery Rajaonarimampianina Nila vonjy tamin’ny Papa François

Hamaky ny tohiny...

Honoré Rakotomanana Efa mitanisa tantara sisa

18/10/2017

Na malaza aza ny resaka mivoaka fa hoesorina tsy ho filohan’ny antenimierandoholona i Honoré Rakotomanana, dia fandokadokafana ny fitondram-panjakana HVM no tena nivoitra tao anatin’ny kabariny nandritra lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa omaly.

Honoré Rakotomanana Efa mitanisa tantara sisa

Hamaky ny tohiny...

Pastera Mailhol “Notambazana 5 miliara Ar aho mba tsy ho kandida”

18/10/2017

Tambatambazan’ny fanjakana HVM tsy hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena i Pastera Mailhol satria atahoran’ny fitondrana mafy, raha ny fanambarana nataony omaly.

Pastera Mailhol “Notambazana 5 miliara Ar aho mba tsy ho kandida”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Atosika ho filohan’ny Antenimierandoholona

18/10/2017

Nesorina tsy ho minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny fiompiana sy ny fambolena intsony i Rivo Rakotovao, araka ny didim-panjakana novakian’ny Jeneraly Ralala Roger, sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika teny Iavoloha omaly.

Rivo Rakotovao Atosika ho filohan’ny Antenimierandoholona

Hamaky ny tohiny...

Jean Max Rakotomamonjy « Asio adihevitra mazava ny fanovana lalàmpanorenana »

18/10/2017

Niakatra 4,1% ny harinkarena faobe na teo aza ireo sedra nolalovan’ny firenena, toy ny rivo-doza. 5,1% izany ny taona 2018 raha mitombo ny fampiroboroana fambolena, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy nandritra ny kabariny tamin’ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa teny Tsimbazaza omaly.

Jean Max Rakotomamonjy « Asio adihevitra mazava ny fanovana lalàmpanorenana »

Hamaky ny tohiny...

Loholona Lylison Mbola misitraka hatrany ny tombontsoany

18/10/2017

Fivoriana ara-potoana faha-4 teo anivon’ny antenimierandoholona tsy natrehin’ny loholona Lylison René de Roland ny nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly.

Loholona Lylison Mbola misitraka hatrany ny tombontsoany

Hamaky ny tohiny...

Ny firenena sahirana Ny mpitondra miliba

17/10/2017

74 no efa matin’ny pesta hatramin’izao. Ao anatin’ny fisaonana tanteraka ny firenena noho ny nahalasan’ny Pr Zafy Abert, Raiben’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena. Ny delestazy miha mahery vaika andro aman’alina kanefa ny faktiora lasa avo roa heny

Ny firenena sahirana Ny mpitondra miliba

Hamaky ny tohiny...


Politique

Radanoara Julien “Ravao any io governemanta io”

17/06/2017

Tsy lasa intsony izao ary tsy hiandry ho faty ny vahoaka Malagasy vao hihetsika, hoy ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena Radanoara Julien.

Ny fiaraha-mitantana ny firenena no vahaolana manoloana izao olana lalim-paka mahazo ny firenena izao, raha ny fanehoan-keviny. Voafidim-bahoaka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, isika koa ao anatin’ny demokrasia ka mijanona eo amin’ny toerany izy hatramin’ny 2018. Manolo-tanana kosa izahay amin’ny fiaraha-mitantana, hoy izy. Ny fiaraha-mitantana eto dia ny governemanta rehetra no ravana ary mihantona ny andrim-panjakana rehetra fa ny filohan’ny repoblika kosa mijanona eo ihany. Hisy kosa ny komity anankiray hitondra ny firenena satria misy hevitra be dia be tsy nohenoin’ny fanjakana hatramin’izay hoentin’io komity io hanarina ny firenena. Anjaran’ny filoham-pirenena no mandray izay tolo-tanana izay na tsia. Raha minia miziriziry moa izy dia ny vahoaka tompom-pompahefana no handray ny andraikiny. Ny fifidianana no atao hoe fifandimbiasam-pahefana. Mandritra ny fiaraha-mitantana no hamolavolana ny fepetra mazava hiatrehana ny fifidianana madio, milamina malalaka ary mangarahara ary eken’ny besinimaro. Hihaino ve ny filoham-pirenena  Hery Rajaonarimampianina sa dia rano atobaka an-damosin-gisa hatrany ny fanehoan-kevitra ? Ny zava-misy hatramin’izay mantsy dia manidy trano sy manamafy orina ny sezany no ataon’ny fanjakana HVM. Malaza fa tsy hamotsotra io fahefana io mora foana izy na hiafara amin’ny ra mandriaka aza. Ny tantara no hitsara !

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana