Dans la mme rubrique

Didier Ratsiraka “Hisy korontana eto raha atao ny fifidianana”

15/01/2018

Natao teny Faravohitra ny faran’ny herinandro teo ny fiarahabana ny filoha mpanorina ny antoko AREMA, ny Amiraly Didier Ratsiraka.

Didier Ratsiraka “Hisy korontana eto raha atao ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana tany Frantsa « Mendrika ny ho sambatra ny Malagasy »

15/01/2018

Nazava ny toromariky ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fifampiarahabana sy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny mpanohana rehetra tany Frantsa sy Eoropa natao tao Savigny ny sabotsy 13 janoary teo.

Ravalomanana tany Frantsa « Mendrika ny ho sambatra ny Malagasy »

Hamaky ny tohiny...

Depiote Félix Randriamandimbisoa “Tsy misy atahorana ny fanenjehana ny filoha Ravalomanana”

15/01/2018

Tsy misy atahorana ny fanenjehana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Randriamandimbisoa Felix, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany fahefatra sady filohan’ny vondrona parlematera TIM eny anivon’ny antenimieram-pirenena na dia nandeha aza ny fandrahonana ny amin’ny hisamborana azy ny herinandro lasa teo.

Depiote Félix Randriamandimbisoa “Tsy misy atahorana ny fanenjehana ny filoha Ravalomanana”

Hamaky ny tohiny...

Dr Jean Louis Robinson Diso manjaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna

15/01/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny dokotera Jean Louis Robinson, kandida filoham-pirenena teo aloha sady ben’ny tanàna any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasikely, faritra Alaotra Mangoro

Dr Jean Louis Robinson Diso manjaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna

Hamaky ny tohiny...

TIM Boriborintany faha-4 Vonona hiatrika ny fifidianana

15/01/2018

Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2018 ny sabotsy teo ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ny Boriborintany fahefatra. Tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana izany, notarihin’ny solombavambahoaka Randriamandimbisoa Felix.

TIM Boriborintany faha-4 Vonona hiatrika ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Sefom-pokontany Antsirabe I Notoloran’ny kaominina tambin-karama

15/01/2018

Nanatontosa hetsika fifampiarahabana noho ny asaramanitra, niarahana tamin’ireo sefom-pokontany nanerana an’Antsirabe ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe.

Sefom-pokontany Antsirabe I Notoloran’ny kaominina tambin-karama

Hamaky ny tohiny...

KMMR manohana an’i Dada Tsy maintsy sahy miatrika ny zava-drehetra

12/01/2018

Niarahaba manokana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fahazoany fandresena tamin’ilay fifaninanana “Olon’i Afrika 2017” na ny “ALM Person of the year 2017” teo amin’ny sokajy haitarika ara-politika na ny “Political Leadership” ny vahoaka maro be mpanara-dia omaly.

KMMR manohana an’i Dada Tsy maintsy sahy miatrika ny zava-drehetra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Mila ranondranony amin’i Afrika atsimo

17/06/2017

Samy resy lahatra ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma sy ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina fa manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina.

 

 Nihaona ary nidinika amin’ny fomba hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izy mirahalahy ireto ny alakamisy alina teo tany Pretoria taorian’ilay fivorian’ny mpamatsy vola ho an’i Madagasikara. Nifantohan’ny dinika ny fametrahana tontolon’ny fandraharahana milamina sy azo antoka, ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny famoronan’asa hiteraka harena. Nilaza ny filoha Rajaonarimampianina raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana fa nahafa-po azy ilay fihaonana niarahana tamin’ny mpamatsy vola nandritra ny roa andro tao Pretoria-Afrika atsimo, ary tsy maintsy hisy ny fametrahana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy kasaina hatao. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny resabe manodidina ny fitokanana zava-bita sy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Raha tahaka izany ny fomba fijerin’ny olona sasany dia ho fampielezan-kevitra manontolo ny fotoam-piasan’ny filohan’ny repoblika satria tsy maintsy hiasa sy hanangana izy, hoy ny tenany somary nananihany. Tokony hiova ny fomba fijery sy ny fomba fisainana raha te handroso marina isika. Tsikaritra fa miezaka manatsara fifandraisana amin’i Afrika atsimo ny fitondrana HVM. Asa na fikarohana famatsiam-bola na paikady hamafana tsimoramora ny lazan’i Marc Ravalomanana izay niaina tany nandritra ny enin-taona ary tena manana fifandraisana lalim-paka tokoa amin’ny mpandraharaha Afrikanina tatsimo.


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana