Dans la même rubrique

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

24/03/2017

Tsy azo ekena ny don-tandroka isaky ny mihetsika sy ny fampiesonana. Nifanarahana tany am-boalohany fa ajanona ny hetsiky ny zanak’i Dada ao amn’ny Magro Behoririka,

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

24/03/2017

Mihantsy ady, miteniteny foana no anton-draharahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

24/03/2017

Tsy naneho hevitra elaela mikasika ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahasalamana ny filohan’ny hetsika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na i Doudou, raha ny fanazavana nomeny omaly teny amin’ny fonenany eny Ambohipo.

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

Hamaky ny tohiny...

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

23/03/2017

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Tambatra, tarihin’i Pety Rakotoniaina.

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

21/03/2017

Saika miresaka sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana avokoa ireo haino aman-jery mpomba ny mpitondra sy ny mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 amin’izao fotoana izao.

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

Hamaky ny tohiny...

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

21/03/2017

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny tsy nahitana an’ireo mari-pamantarana ireo kaominina Antananarivo Renivohitra toy ny saina, fitomboka…

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

20/03/2017

Naseho voalohany tany Copenhague-Danemark ny sabotsy 18 martsa teo ilay horonantsary « Return of a president.. »,

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Didier Ratsiraka Nanao antso avo ho an’ny Dahalo

07/11/2016

Nosafidian’i Didier Ratsiraka manokana hankalazana ny faha-80 taona nahaterahany ny tanànan’i Fianarantsoa ny sabotsy 5 novambra lasa teo.

Nifampitaona tamin’ireo kamarady Arema ny tenany ka ankoatra ny fihaonana sy ny tafatafa dia nisy ny karazana karnavaly namakivaky ny tanàna. Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny amiraly ka nandritra izany no nanaovany antso avo ho an’ireo dahalo manerana an’i Madagasikara mba hampitsahatra ny halatra omby sy ny asa ratsy. Mety mahazo 100 000 Ariary (500 000fmg) ianareo fa ny mpaniraka anareo mahazo 500 tapitrisa Ariary (1 milliard fmg), hoy izy ka aoka izay fa aza mamono tena ary aza mamono havana fa mahita asa tsaratsara kokoa ho anareo izahay. Tsy olona nilatsaka avy any an-danitra fa olona eo an-tanàna ihany ny dahalo, hoy i Didier Ratsiraka. Mifandray amin’izay dia nohamafisiny fa tsy ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminana eto Madagasikara. Tokony hatao izay hahazoan’izy ireo fitaovana mifanaraka amin’ny vanim-potoana ary mifanaraka ihany koa amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny. Efa tena mahantra ny Malagasy noho ny krizy nifanesisesy teto, ka io no mahatonga ny olona hangalatra, hoy ny amiraly Ratsiraka. Andao isika hiresaka ka hiatrika ny filoham-pirenena am-perinasa, ireo filoha nitondra teo aloha, ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika mba hikaroka hevitra sy hifandresy lahatra. Alefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-pirenena sy iraisam-pirenena ny adihevitra. Nahitsy ny Deba nilaza fa tsy izy velively no tao ambadiky ny fikasana hanongana ny filoha teny amin’ny antenimieram-pirenena. Tsy manana malety ampiasaina amin’izany aho, hoy izy. Nambarany fa nisy ihany koa ny soso-kevitra efa natolony ny filoha Rajaonarimampianina tahaka ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny 9 volana, ny fampihenana ny vidin’ny solitany sy ny etona eto Madagasikara, ny fanamboarana Autoroute amin’ny faritra maro, saingy tsy nisy valiny azo fa toa valy boraingina no reko tamin’ny vaovao hoe : hajao ny lalàmpanorenana ary avelao ny mpitondra hiasa, hoy izy.


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana