Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Augustin Andriamananoro Taraiky ary miady irery

15/12/2016

Tsy dia mazava intsony ny raharaha Augustin Andriamananoro amin’izao fotoana izao, fa ny heno dia efa nentina mangingina aty an-drenivohitra ny tenany, ka na ny mpisolovava azy aza dia tsy mahalala ny antsipirihan’ny zava-drehetra.

Toa mafana am-boalohany toy ny afo-mololo ihany ny fanohanan’ny mpiara-dia aminy an’ingahy Augustin Andriamananoro, izay nosamborin’ny fanjakana HVM. Tsy re feo ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina kanefa anisan’ny tanan-kavanany sady filoha lefitry ny MAPAR no iharan’ny antsojay. Ny birao politikan’ny MAPAR aza moa tsy mbola nanao fanambarana iraisana fa samy miteny izay teneniny eny ny tsirairay. Toa efa tarazo ao anatin’ireo olon’ny tetezamita ny tsy mifanavotra fa izay iharan’ny antsojay dia taraiky sy resy tanteraka toa an’ingahy Alain Ramaroson, izay niray petsapetsa tamin’ny olon’ny tetezamita ihany saingy rehefa tojo ny sarotra dia tsy misy mpahalala. Hany ka toy ny manome vahana ny mpitondra hisambotsambotra satria tsy misy sahy mijoro hiady ho an’ireny. Na dia nambara aza fa raharaham-pianakaviana dia toy ny fanaovana andrana no nanagadrana an’i Alain Ramaroson mba hijerena ny ho fihetsika sy tanjak’ireo mpiara-manohitra aminy saingy izao iaraha-mahita izao fa tsy nisy sahy nijoro. Vokatr’izany tsy firaharahiana izany dia nosamborina ihany koa i Augustin Andriamananoro satria fantatra fa tsy hisy ny hetsi-panoherana. Tsy ho sarotra amin’ny mpitondra intsony avy eo no hisambotra an’i Andry Rajoelina satria efa hainy amin’ny antsipiriany ny mety ho fihetsik’ireo olona manodidina azy izay tsy miaraka amin’ny resy.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana