Dans la męme rubrique

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana

23/06/2017

Nanohana ny filoha Rajaonarimampianina hatrany ny MDM (Mouvement pour la Démocratie à Madagascar) nanomboka ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana

Hamaky ny tohiny...

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

23/06/2017

Hankalaza ny faha-15 taonany ny antoko TIM ny 8 jolay ho avy izao. Mialoha ny hanaovana izany sy hanamarihana ny fetim-pirenena dia niatrika ny fivorian’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna miteny amin’ny ampahany na manontolo

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

Hamaky ny tohiny...

Force de changement Hamory vahoaka anio

23/06/2017

Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny ireo tanora mpikambana ao aminy tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM etsy Andravoahangy ho an’ny vahoaka malagasy omaly ny vovonana politika Force de changement taorian’ireo fivoriana samihafa natao hanomanana ilay fihetseham-bahoaka

Force de changement Hamory vahoaka anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina

23/06/2017

Hiitatra any andafin’ny riaka ny akon’ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) noho ny teritery isan-karazany ataon’ny manampahefana amin’ny asan’ny mpitsara Malagasy.

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia

23/06/2017

Ao anatin’ny fanamarihan’ny lisea tsy miankina Md Etienne etsy Ambanidia ny faha-55 taona niorenany, 1962-2017,

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

22/06/2017

Manaitra ny mponina ny fiomankomanana any Imerintsiatosika efa ho andro vitsivitsy izao.

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

Hamaky ny tohiny...

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

22/06/2017

Nandamoka ny fampihavanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nokasaina hotanterahina,

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko MFM Mandala ny fifidianana ahazoana fahefana

29/12/2016

Misy ary mijoro tanteraka ny Antoko MFM. Nanamafy izany ny tao Antsirabe ka nitafa tamin’ny mpanao gazety ho fanamarihana ny faha-44 taona nijoroany ny alarobia 27 desambra teo.

Nambaran’ny filohan’ny Antoko ao Vakinankaratra, Atoa Mbahiny fa antoko mitolona ho amin’ny fandrosoan’i Madagasikara ny MFM ary mandala ny firehan-kevitra “Liberaly Demokraty”, ary mpikambana ao amin’ny vondrona Liberaly Iraisam-pirenena mihitsy, ka mandala ny fanaovana fifidianana ahazoana fahefana. Nambaran’ny mpitarika fa tokony hitana ny andraikiny ny rehetra ka ny fanjakana mandamina ny fandraisan’anjaran’ny mpisehatra, ny fiarahamonim-pirenena manara-maso ny olona nampindramina fahefana ary ny antoko politika dia tokony hitaiza sy hanabe ny olona amin’ny raharaham-pirenena. Raha ny tao Antsirabe moa dia nandray anjara hatrany ny antoko teo amin’ny raharaham-pirenena satria nanohana ny kandidà Jean Louis Robinson izy ireo tamin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2013, nanana kandidà solombavambahoaka ary niaraka tamin’ny fikambanana “Iray ihany isika” tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao ny 31 jolay 2015. Mampirisika ny fampiasam-bola miteraka asa ao Antsirabe ny antoko satria raha i Vakinankaratra dia mahatratra 1.800 isan-taona ny tanora afaka bakalorea ary ny 1.300 amin’ireo dia miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany fa tsy manohy ambaratonga ambony intsony.

Caius R.


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana