Dans la même rubrique

Augustin Andriamananoro Tsy re feo intsony

20/02/2017

Ny 27 desambra 2016 teo no nivoaka ny fonjan'Antanimora rehefa notanana 17 andro tao ny filoha lefitry ny vondrona Mapar Augustin Andriamananoro. Tsy re feo intsony izy nanomboka teo.

Augustin Andriamananoro Tsy re feo intsony

Hamaky ny tohiny...

COMTIM Ivato Tratran’ny antsojay tamin’ny ora farany

20/02/2017

Nifamotoana teny Ilaivola ny sabotsy 18 febroary 2017 teo ireo mpikambana Tiako I Madagasikara ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ivato.

COMTIM Ivato Tratran’ny antsojay tamin’ny ora farany

Hamaky ny tohiny...

Ady anatin’ny HVM Mamono afo i Rivo Rakotovao

20/02/2017

Niezaka nandiso ny resaka momba ny ady an-tranon’ny antoko HVM ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao ny faran’ny herinandro teo.

Ady anatin’ny HVM Mamono afo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Ravalo sy Rajoelina Hopotehin’ny HVM ?

18/02/2017

Tsy nitohy intsony ny resaka momba ny fampihavanam-pirenena, izay mbola misy endrika fanilihana ny hafa sy fanomezana tombondahiny ny mpitondra am-perinasa,

Ravalo sy Rajoelina Hopotehin’ny HVM ?

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay “Miandry izay higadonany sisa isika»

18/02/2017

Samy manao izay tiany atao avokoa ny vazaha sy ny mpanao politika rehetra amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay.

Toavina Ralambomahay “Miandry izay higadonany sisa isika»

Hamaky ny tohiny...

Mpandinika ny raharaham-pirenena Miantso fifampidinihana

18/02/2017

Azo lazaina ho manao resaky ny moana sy ny marenina ihany amin’izao fotoana izao ny mpitondra sy ny mpanohitra ary samy toy ny manao antso an’efitra ihany.

Mpandinika ny raharaham-pirenena Miantso fifampidinihana

Hamaky ny tohiny...

« Légaliste de Madagascar » Manaja ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

18/02/2017

Mitana ny foto-kevitra nijoroany sy nahafantarana azy hatramin’izay ny fikambanana « Légaliste de Madagascar » tarihin-dRalainirina Marcel

« Légaliste de Madagascar » Manaja ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimierandoholona Nisintaka teny Ankorondrano

17/11/2016

Nanatanteraka atrikasa niaraka tamin’ireo loholona teny amin’ny Ibis Akorondrano, momba ny kaonty, ny fitsarana Malagasy omaly alarobia 16 novambra 2016.

 

 Torolalana famakiana ny tatitra ataon’ny fitsarana momba ny kaonty mikasika ny volavolan-dalàna fandravonana  « loi de règlement » no votoatin’ny Atrikasa izay nokarakarain’ny  PAGI ary notarihan’ny filohan’ny fitsarana momba ny kaonty Andriamatoa Andriambolarinirina Arison Jean Noël.

Izao no natao dia mba ho fanampiana ny mpikambana eo anivon’ny parlemanta amin’ny fandaniana ny lalàna momba ny tetibola amin’izao fivoriana ara-potoana  faharoa izao, satria efa nisy ny fankatoavana  ity torolalana ity tamin’ny  fivoriana ara-potoana voalohany  ary koa hifanazavana sy hifanakalozan-kevitra mba hisian’ny fiaraha-miasa matotra sy maharitra amin’ny fitsarana momba ny kaonty sy ny antenimiera roa tonta. Ny tanjona  kendrena dia ny hampahomby ny fandaniana ny tetibola fandravonana satria io no ahafahana manao jery todika sy mamaritra ny fandaniana natao sy manamarina ny vokatra azo. Ity torolalana ity dia fitaovana ahafahana manao fanitsiana hahatongavana amin’ny tetibola metimety kokoa. Marihana fa mbola hisitraka an’ity atrikasa ity koa ny Antenimieram-pirenena Malagasy ao aoriana kely ao.

Ntsoavina Evariste


 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana