Dans la męme rubrique

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%

24/07/2017

Mandeha ny tsapan-kevitra isan-karazany amin'ny mety ho vokatry ny fifidianana 2018 na dia mbola misy herintaona mahery kely aza.

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%

Hamaky ny tohiny...

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay

22/07/2017

Nanao fanambarana teny Tsimbazaza ny Birao politikan’ny Antoko Tiako I Madagasikara omaly, ka nivoitra tamin’izany ny fampitam-baovao fa nandresy sy nahazo rariny tany amin'ny Filan-kevi-pankajana (Conseil d'Etat)

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay

Hamaky ny tohiny...

Atallah BĂ©atrice Hatosika ho praiminisitra ?

22/07/2017

Nangingina ny resaka fanovana governemanta tato ho ato. Mifamahofaho tanteraka ny vaovao ary efa nandeha hatry ny ela ny resaka fa tsy maintsy halana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Atallah BĂ©atrice Hatosika ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nihaona tamin’ny filoha Ivoarianina

22/07/2017

Ny alakamisy lasa teo no efa nigadona tany Côte d’Ivoire ny Filoham-pirenena Malagasy noho ny fanatanterahana ny Lalaon’ny Frankofonia andiany faha-8

Hery Rajaonarimampianina Nihaona tamin’ny filoha Ivoarianina

Hamaky ny tohiny...

Fivoahan’ny vola vaovao Afa-baraka tanteraka ny HVM

22/07/2017

Zary resa-be eny anivon’ny fiarahamonina sy any anaty tambajotra sosialy ny namoahan’ny fanjakana ireo vola taratasy amin’ny endriny vaovao.

Fivoahan’ny vola vaovao Afa-baraka tanteraka ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Vovonana mampiray Hisoroka ady an-trano

22/07/2017

Efa nilaza izahay fa tsy hiteny raha tsy efa manan-katolotra ny vahoaka Malagasy, hoy ny filohan’ny Vovonana mampiray, Arlette Ramaroson, omaly, tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra.

Vovonana mampiray Hisoroka ady an-trano

Hamaky ny tohiny...

Politika sy Fifidianana Mipararetra amin-dRavalo ny HVM

21/07/2017

Hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka tany Mandritsara an’i Marc Ravalomanana omaly.

Politika sy Fifidianana Mipararetra amin-dRavalo ny HVM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ady amin’ny fahantrana Tsy misy mpanatanteraka, hoy i Pčre Pedro

11/01/2017

Nandritra izay 28 taona nitantanany ny toby fanarenana mahantra etsy Andralanitra na ny “Akamasoa” izay dia naneho ny heviny tetsy amin’ny Espace Dera etsy Tsiadana omaly, i Pčre Pedro fa miadana loatra ny ady amin’ny fahantrana hitany eto amintsika hatreto.

 

Zonay ny mampiaka-peo manoloana izany satria efa nanao izahay fa tsy hoe tsy nanao, hoy izy. Maro ny fivoriana sy fikaonan-doha mikasika ny ady tamin’ny fahantrana ary hevitra tsara hatrany no mivoitra amin’izy ireny saingy tsy misy mpanatanteraka. Ny Akamasoa no mpanatanteraka, hoy izy. Mahatratra hatrany amin’ny 25.000 isa moa ireo mahantra tezaina ao amin’ny Akamasoa, raha ny fanazavany amin’izao fotoana izao ary fanampin’izany dia manodidina ny 60.000 isa isan-taona ihany koa anefa ireo mahantra mitady fanampiana mandalo eny an-toerana ary dia raisin’ny toby rehefa manaiky ny hanoa ny “dinan’ny Akamasoa” izay mifototra amin’ny kolontsain’ny asa.

Mirija


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana