Dans la mme rubrique

Antananarivo 398 indray no tratra tsy nanao arotava

28/10/2020

Mbola tsy foana tanteraka ny valanaretina Covid 19 eto amintsika. Ny mahavariana anefa dia mihabetsaka ireo tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana intsony toy ny fanaovana arotava…

Antananarivo 398 indray no tratra tsy nanao arotava

Hamaky ny tohiny...

Dr Marius Ramaroson “Vaksiny tena izy ihany no haharesy ny Covid 19”

28/10/2020

Aretim-pitranga mialohan’ny rotsak’orana sy andron’ny zakarandahy ary felam-paiso toy izao, hoy ny dokotera Marius Ramaroson, ireo aretin’ny fitaovam-pisefoana. Eo ny “allergie” dia eo koa ny areti-kibo.

Dr Marius Ramaroson “Vaksiny tena izy ihany no haharesy ny Covid 19”

Hamaky ny tohiny...

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

 Nilaza mantsy ny Filoha fa ny alahady 12 jolay teo, fa omaly alarobia farahafatarany dia afaka handray mandray marary ireo CSB II, saingy mbola tsy tonga ny fitaovana, fanafody,… hahafahana mandray an-tànana ireo marary misy soritr’aretina heverina fa voan’ny covid-19 ho an’ny ankamaroany. Nilaza rahateo ny Filoham-pirenena, fa raha vao misy fambara toy ny tsy faharenesana tsiron-kanina, dia tsy tokony hiandry fitiliana fa heverina ho coronavirus avy hatrany, ka raisina ny andraikitra amin’ny fitsaboana. 40 isan’andro eo no tonga eny amin’ireny CSB II ireny, izay misy mihitsy ny misy soritr’aretina mahey vaika. Maro ireo tsy maheno tsiron-kanina. Ireo olona heverina fa aretina hafa no mahazo azo no raisina, fa nalefa sy notoroana hevitra ho any amin’ireo afaka mandray an-tànana ny mararin’ny covid-19 hatreto. Tsy afaka handray ny fitsaboana ireo “formes graves” ny CSB II na rehefa vory fitaovana aza, fa halefa any amin’ny toeram-pitsaboana lehibe. Manodidina ny 100 isan’andro no manantona ireny toeram-pitsaboana tsy miankina ireny eto Antananarivo. Karazana tsirambina ihany ny mbola tsy fandraisana an-tànana ireo olona misy soritr’aretina manantona ny toeram-pitsaboana ara-panjakana eny ifotony. Miisa 18 ireo CSB II eto Antananarivo, izay andrasana ny fahatongavan’ny fampitaovana feno sy fanafody nampanantenain’ny Filoha.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana