Dans la mme rubrique

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

14/09/2020

Olona 2 no namoy ny ainy tao anatin’ny 48 ora, ka 01 tany SAVA ny sabotsy teo, ary 01 hafa tany DIANA omaly alahady, araka ny tatitry nataon’ny Pr Vololontiana Hanta. 210 no namoy ny ainy hatramin’izay,

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

14/09/2020

Na dia efa miha mihena hatrany aza ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika dia mbola tsy foana tanteraka ny aretina.

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

11/09/2020

Niampy roa indray ny matin’ny coronavirus, ka iray avy ny tany Matsiatra Ambony sy Diana, nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 208, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

Hamaky ny tohiny...

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

11/09/2020

Ny alahady 6 aogositra teo no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hivoaka afaka tapa-bolana raha ela indrindra ny CVO+ na ny CVO amin’ny endriny “gélule”

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

 Raha araka ny tatitra nataon’izy ireo mantsy dia efa mihena ireo fiara tafiditra am-balam-pamonjana sy ny mpamily sy ny mpanampy voasazy raha mbola misy ihany ireo mpandeha an-tongotra tsy manao arotava tratra. Tamin’ny 01 jolay lasa teo ohatra dia fiara 16 no nampidirina foriera, mpamily sy ny mpanampy azy miisa 32 no natao fanadihadiana raha nahatratra 234 ireo mpandeha an-tongotra tsy nanara-dalàna. Tamin’ny 02 jolay lasa teo indray dia nihena ho 3 ireo fiara nampidirina foriera, 6 kosa sisa ireo mpamily sy ny mpanampy azy natao fanadihadiana raha mbola nahatratra 62 ireo mpandeha an-tongotra tratra tsy nanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Tamin’ny 03 jolay lasa teo dia fiara iray sisa no nampidirina foriera, 2 ny mpamily sy ny mpanampy azy nanaovana fanadihadiana raha mbola nahatratra 44 ireo mpandeha an-tongotra tsy nanao arotava. Ny mampalahelo hoy hatrany ny polisim-pirenena dia tsy fitsinjovana ny fahasalamany no antony hanaovan’ny olona arotava fa tahotra ny mpitandro ny filaminana. Raha vantany vao midify izy ireny dia tsy misy mivaky loha avokoa ka sady mamosavy ny ankohonany no mamosavy ny hafa. Ho hita eo indray moa ny tohiny manaraka ao anatin’izao 15 andro manaraka hiainan’ny Faritra Analamanga ao anatin’ny fihibohana tanteraka izao.

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana