Dans la mme rubrique

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

18/07/2020

Lehilahy sy vehivavy iray mpivady no tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service des Enquêtes Spécialisés ny 15 jolay

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

Hamaky ny tohiny...

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

18/07/2020

Teratany Kaomorianina iray avy atsy amin’ny Nosy Anjouan antsoina hoe Isa Mohamed fantatra amin’ny anaram-bositra « Bouboucha »

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

Hamaky ny tohiny...

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

18/07/2020

Mitandrema, hoy ny hafatry ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, manoloana ny zava-misy mikasika ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus eto amin’ny firenena.

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

16/07/2020

Nirehitra omaly hariva ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ny ONE eny Antaninarenina.

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

16/07/2020

Nodimandry teo amin’ny faha 35 taonany omaly ny namana mpanao gazety eo anivon’ny Onjampeo Feon’Imerina, Hariniaina Tahiana Andrianarimanana na Tahiana Andrianarimanana.

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

Hamaky ny tohiny...

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

16/07/2020

Ny vesatra zakain’ny isan-tokantano sy ny vidim-piainana mihitsy no tokony hahena amin’izao fotoam-pahasahiranana iainan’ny vahoaka izao.

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

15/07/2020

Mangataka ny hamoahana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra momba ny fitantanana ara-bola mikasika ny covid-19 ny Firaisamonim-pirenena. Isan’ny

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

 

Nanambara ny rahalahin’ilay dokotera maty, fa tsy maty namono tena fa nisy namono ity rahalahiny ity. Sady tsy matina coronavirus no tsy namono tena ny rahalahinay, ary efa noraisin’ny fanjakana ny fanadihadiana, ka miandry ny fahendren’ny fanjakana hamoaka ny vaovao tena marina. Tamin’ny fampandroana dia hita fa tsy namono tena, hoy ny fanazavana. Nampanantsoin’ny mpitandro filaminana ny Pr Ralandison Stéphan omaly. Natao famotorana sy fanadihadiana. Afaka nody ny tenany ny atoandro, ary mbola naverina nampanantsoina indray ny hariva ary notapahana fa hotanana vonjimaika na “garde à vue”. Nafana ny raharaha ka navotsotra sy navela nody indray izy avy eo saingy hambenana ny tranony. Tonga maro ireo mpiasan’ny fahasalamana izay maneho firaisan-kiana sy fanohanana ny lehibeny. Tsy manaiky ny mpitsabo rehetra ary mety tsy handray ny asany anio ho mariky ny fiaraha-mientana. Anio amin’ny 7ora maraina no hiakatra fampanoavana ity raharaha ity. Nisy ny fanambarana omaly hariva, fa miray fo ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra, ny mpianatra ao amin’ny sampana fahasalamana rehetra, miantso ny rehetra hanotrona ny fitsarana hanao fanamiana miloko fotsy. Fanotronana no atao fa ny ady amin’ny covid-19 mitohy, hoy raha ny fanambarana.Nisy loharanom-baovao iray nanambara koa anefa halina fa efa vita tanteraka  ny fanadihadiana ary tsy hiakatra fampanoavana indray ny Pr Ralandison.Ho hita eo izay ho fitrangany anio.

 

Nanambara ny avy ao amin’ny holafitry ny mpitsabo omaly fa manaraka akaiky ity raharaha ity, ary miandry izay hambaran’ny fanadihadiana rehetra vao hanao fanambarana ofisialy

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana