Dans la mme rubrique

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

11/08/2020

ahatratra 10.816 hatreto ny fitiliana vitan’ny laboraotoara la2m eny androhibe analamahitsy raha araka ny fanazavan’ny profesora zely

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

11/08/2020

Olona miisa 3 teto amin’ny Faritra Analamanga indray no lavon’ny Covid-19, ka nampiakatra ny isan’ny maty hatramin’izay ho 151, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

11/08/2020

Tsisy fototr’antontan’isa mazava niaingana nilazana fa tratra amin’ny volana aogositra ny PIC na isa ambony indrindra amin’ny olona voan’ny covid-19, hoy i Marc Ravalomanana.

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

 

 

 

Nilaza ireto olona mitondra ny covid-19 ireto fa mampijaly saina azy ireo ny zavatra iainany satria hatramin’ny nidirany teny dia Chloroquine 02 sy Azythromycine 02 maraina sy hariva no hany fanafody hanin'izy ireo. Tsy misy izany CVO ranony izany voarain'izy ireo hatramin'ny nidirany teny kanefa fanomezan-tsiny no omen'ny filoha azy ireo. Matahotra sy tsy mbola nanaiky ny hatao ilay andrana amin'ny tsindrona ihany koa amin'izao aloha raha tsy mazava tsara ny tsindrona atao, izay mbola manjavozavo amin'izy ireo ary tsy mbola tonga eny ihany koa izany hatreto. Tena olana be ihany koa ilay fanilikilihana mahazo ny fianakavin'izy ireo satria am-pahibemaso amin'ny fiara misoratra covid-19 no nakana azy ireo tany an-trano nandritra ny fotoana nahafantarana fa “positif”, hany ka hiaran'ny antsonjain'ny fiarahamonina ny fianakaviny sy vady aman-janany vokatr’izany, toy ny hoe volana covid-19 ka tsy raisin'ny mpivarotra ny vola amin'izy ireo hividianan-javatra.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana