Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fahazoan-dàlana manokana hivezivezy Tsy manan-kery intsony manomboka anio

11/05/2020

Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana fa tsy hanan-kery intsony manomboka anio 11 mey amin’ny 12ora atoandro ny fahazoan-dàlana hivezivezy navoakan’ny CCO Covid-19 sy ny minisiteran’ny Fitaterana (MTTM),

 

 

 ary ny Minisiteran’ny atitany (MID) ahitana ny Prefektiora sy ny distrika. Ireo fiara lehibe mitatitra etam-barotra, ireo mitondra marary na mitondra faty ihany no afaka mivoaka sy miditra raha misy porofo mazava ho an’ireo faritra efa ahitana ny covid-19 dia Analamanga, Atsinanana, Matsiatra Ambony mba hisorohana ny valanaretina coronavirus. Noraisina ny fanapahan-kevitra hisorohana ny fipariahan’ny aretina, indrindra fa efa misy faritra hafa voa ihany koa dia i Moramanga sy Antsirabe, hoy ny fanambarana. Noho izany dia raràna ny fidirana sy fivoahana amin'ireo faritra ireo ho an'ny daholobe (Olon-tsotra mandeha tongotra, fiaran'olon-tsotra, moto...); ary izany dia tsy misy vahaolana azo omena eny amin'ireo sakana ifotony ara-pahasalamana fa tsy maintsy arahana, hoy ny fanjakana.

Toky R sy Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana