Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tsy ampy ny fitiliana Mampanahy ny zava-misy eto Madagasikara

05/05/2020

Mampanahy ny fiakaran’ny isan’ny voan’ny Covid-19 eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 Mazava io fa mbola tsy voafehy ny coronavirus, ary iny efa niaraha-naheno iny fanapahan-kevitra mampitombo 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana. Endrika iray maneho fa tena miasa sy mikaroka ireo mety voa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Na izany aza tena mitombo ny ahiahy satria raha ny fitiliana PCR vita teny amin’ny IPM dia 3772 izany hoe 78 isan’andro eo raha zaraina amin’ny 48 andro niainana ny hamehana. Ny Nosy Maorisy etsy akaikintsika anefa efa nahatratra 200 000 ny vita fitiliana, ary ao anaty fihibohana tanteraka ny firenena. Arakaraka ny fahamaroan’ny fitiliana atao no hahafahana mamantatra ny voa sy hahafehezana ity aretina ity. Mahatratra firy marina ny “kits” fanaovana fitiliana vonona ho an’i Madagasikara? Aiza ilay fampanantenana hahavitana fitiliana 1000 isan’andro izay heverina fa nahazoana tohana sy famatsiam-bola no tsy nisy tohiny? Tsy maintsy miandry olona voa ve isika vao handeha hikaroka ireo manodidina azy ahiana ho efa nifindrany fa tsy afaka manao fitiliana faobe ho an’ireo tanàn-dehibe efa misy ny coronavirus? Tany amin’ny fanamboarana arovava anefa hoe 5 tapitrisa ny kaomandy, izay tsy mandeha ho azy fa misy tombana atao hoe olona firy ny mety hifindrany. Mampanahy ny efa fielezan’io aretina io, saingy noho ny tsy fahampian’ny fitiliana atao no mety mety hampamita-tena ny vahoaka sy ny mpitondra. Vao mihoatra ny 300 ny voa dia efa miditra amin’ny “Stade 2” isika kanefa raha io fiakatry ny isa io, dia ahiana ho tonga amin’izany, kanefa ny fitiliana faobe ihany no hahafahana mamantatra ny voa sy ny fifehezana azy tsy hiparitaka.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana