Dans la mme rubrique

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

09/07/2020

Tena faly aho androany, tena faly ny fo ary misaotra an’Andriamanitra fa misy vaovao tsara hoentina amintsika satria tsy nisy ny aina nafoy,

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

Hamaky ny tohiny...

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

09/07/2020

Notanterahina omaly talata 08 jolay 2020 teo amin’ny Lapan’Anosikely ny fitiliana mahakasika ny valan’aretina Covid-19 ireo Loholona sy ny mpiara-miasa sasantsasany.

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

09/07/2020

Efa nampiseho fahasarotana na “forme grave” ny depiote Lucien Rakotomalala no noraisina teny amin’ny Hopitaly Hopitaly Miaramila na ny HOMI

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

09/07/2020

Tamin’ny fampitam-baovao nataony ny 7 jolay 2020, miantefa amin’ireo teratsay frantsay eto Madagasikara, no nanambaran’i Christophe Bouchard,

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

09/07/2020

Naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana manoloana ny famerenana ny fihibohana manomboka amin’ny 12 ora tolakandro eto Analamanga ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy omaly. Tsy hahomby anefa, hoy izy ireo,

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

Hamaky ny tohiny...

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

09/07/2020

Nidina ifotony teny amin’iny faritra 67 ha Avaratra-Atsinanana, FTA, IVO, Antohomadinika Avaratra ary Ankasina ny

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

09/07/2020

Tamin’ny 2 jolay dia 159 teo ny olona no tonga teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ka nisy ny tsisy soritraretina ary tao no nisy soritr’aretina ary nahitana olona tena nahiana mafy ny fahasalamany na « forme grave», hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony.

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Covid Organics “Mila mailo amin`ny fiarovana azy”

28/04/2020

“Voalohany, raha misy firenena manafatra ny tambavy Covid Organics na firenena asiatika io na afrikanina na tandrefa dia midika fa hankatoa ny firenena Malagasy izy ireo. Misy, araka izany, ny laza politika.

 

 

 

 

 Ianao tsy nampoizina hitondra fanefitra eto izao tontolo izao Faharoa, ny « enjeu économique ». Tsy maintsy hanana hambo-po ireo firenena matanjaka amin` ny hoe firenena mahantra no nahita ny fanafody nfanefitry ny aretina COVID-19. Farany, ny “enjeu scientifique”. Ireo Malagasy kely no nahita ity fanafody ity. Midika izany fa hanan-danja ny manam-pahaizana Malagasy. Ny fahavoazana eto amintsika anefa hatramin` izay dia tsy ny fanomezan-danja ireo manam-pahaizana Malagasy. Marihana fa na ny vaksiny anglisy sy alemaina aza mbola tsy nandalo andrana “Clinique” ary mbola ela izany!” hoy Radanoara Julien, mpahay ny fifandraisana iraisam-pirenena, raha naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha eto amin` ny firenena. Mila fahamailoana kosa isika amin`ny fiarovana amin`izany vokatra izany mba tsy hisy hanao hosoka. “Tsy maintsy mametraka ny valim-pikarohana any amin` ny OMAPI (Office Malgache de la Propriété Intellectuelle). Toy izany ihany koa ny eo anivon` ny iraisam-pirenena toy ny OMPI (office mondiale de la propriété intellectuelle) » hoy izy. Notsipihany koa fa tokony hamafisina rahateo ny fanaraha-maso amin`ny fitsinjarana ny tambavy CVO mba tsy hanimba ny vokatra tsara izay nentina ireo mpikaroka Malagasy.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana