Dans la męme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Lalatiana Andriatongarivo Miaro mafy ny tambavy CVO

28/04/2020

Mitohy hatrany ny fizarana maimaim-poana ny tambavy Covid Organics (CVO) eto an-drenivohitra sy faritra maro hafa ihany koa.

Manoloana ireo feo sy resaka miparitaka amin` ny tambajotra serasera dia nanambara ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina no sady mpitondra-tenin` ny governemanta, Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo fa maro ny ezaka natao nahafahana nahita ny fikarohana mba ho tombontsoan` ny isam-batan` olona. Tsy arakaraky ny famendrofendron` ny olona eny amin` ny fesiboky sy eny rehetra eny. Tsy vao izao ny Malagasy no nampiasa tambavy na fisorohana aretina io na koa fitsaboana mihitsy. Efa voaporofo ireo lafin-tsara avy amin`ny zava-maniry, hoy izy. Namafisiny hatrany fa tsy adala ny IMRA nanao izay fikarohana izay. Profesora, dokotera, siantifika… nandinika ela sy nanao fikarohana manaraka ny fenitra. Tsy marina ny filazana fa tsy nandalo andrana sns… Nomarihany fa ny tambavy tsy mila mandalo sedra aminà andrana ara-tsiantifika sy ara-medikaly takiana tahaka amin` ireny fanafody simika. Notsindriany hatrany fa tsy ahiana hoe hisy voka-dratsy amin` ny toe-batana ny CVO. Tsy misy atahorana ka hoe hanimba taova anaty. Mandritra ny fito andro dia manamafy ny hery fiarovana anaty entina miady amin`ny “coronavirus”, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana