Dans la mme rubrique

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

03/07/2020

Hikatona ho an’ny besinimaro ny sampan-draharaha fanaovana « Passeport » ny zoma 03 jolay 2020 araka ny fampahafantarana nataon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

Hamaky ny tohiny...

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

03/07/2020

Vahaolana azo antoka indrindra amin’izao aretina COVID 19 izao, hoy ny Dr Fidy Bariniaina, ny tsy fivoahana ny trano.

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

03/07/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho ny fiparitahan` ny aretina “coronavirus”. Tsy voafehy ny fiparitahan` ny aretina noho ny goragora ateraky ny kolikoly. Vokany,

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Mieli-patrana ny Coronavirus Aiza ny fitiliana 1000 isan’andro nampanantenaina?

28/04/2020

Fampanantenan’ny Filoham-pirenena ny hamelona sy hanokatra ireo laboaratoara maro eto amin’ny firenena, ka olona 1000 isan’andro no hatao fitiliana noho ny fisian’ny coronavirus.

Nambara fa efa misy ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana satria nanaiky ny hanao izany ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM. Isika rahateo nahazo tohana ara-bola tamin’ny OMS, ary raha izany 1000 isan’andro izany, dia efa karazana fitiliana faobe io. Tsy nisy tohiny anefa io resaka io, tahaka ilay hoe handeha hanangana toeram-pamokarana fanafody ka tsy ho hita firy, araka ny fanambarany tamin’ny 8 aprily. Ny herinandro lasa teo, dia 29 no notiliana ny alatsinainy, 32 ny talata, 35 ny alarobia, ary 17 ny alakamisy. Hatramin’izay dia 2313 no natao fitiliana PCR teny amin’ny IPM, raha ny tatitra. Nitsitaitaika ny fitiliana, ka tsy atao mahagaga raha tsy nisy voamarina fa voa firy tamin’ny herinandro. Ny alahady teo anefa tao anatin’ny fitiliana 82 izay somary niakatra kely, dia nisy olona iray voa. Omaly tao anatin’ny fitiliana natao tamina olona 146, dia 4 be izao no voamarina fa tratry ny covid-19.Ny iray kosa dia olona any Tolagnaro izany hoe ao amin'ny faritra Anosy. Mety hiteraka fahadisoan-kevitra lehibe sy hahatonga ny olona tsy hanan-tahotra firy ny tsy fahampiana fitiliana kanefa efa marobe no ahiana fa efa voa miparitaka any rehetra any. Ny marary iray rahateo, dia mety hamindra amina olona 3, ary mifindrafindra hatrany hatrany. Mila hampitomboina ny fitiliana !

Toky R

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana