Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mitombo ny "Cas Contact" Nisy voan'ny Coronavirus teny Itaosy sy 67 Ha

28/04/2020

Olona vaovao miisa 4 no voamarina fa tratry ny coronavirus tamin’ireo fitiliana 146 vita teo anelanelan’ny tamin’ny alahady atoandro sy omaly alatsinainy 27 aprily tamin’ny 12ora atoandro,

 

 

 

ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 128, araka ny tatitra nataon’ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 eny Ivato. Ny 3 tamin’ireo dia eto Antananarivo avokoa ka teny Ambaniala Itaosy ny 2 ary teny 67Ha ny iray. Nifampikasoka akaiky tamina olona voatily vao haingana fa mitondra ny tsimokaretina izy ireo. Vehivavy avokoa izay 13, 36, ary 70 taona. Ny iray farany dia mbola vehivavy ihany koa, 50 taona, avy any Tolagnaro. Tsy misy soritr'aretina izy ireo. Niampy 4 ny isan'ny sitrana ka tafiakatra 75 ny totalin'izy ireo. 53 kosa no mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly. Faritra be mpivezivezy eto an-drenivohitra ireo nahitana tranga ireo, izay tsy nisy soritr’aretina ireo voa, ka hamafisina fa mbola mitombina ary mbola ao anatin’ny ady tanteraka isika, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle . Tsy voatery ho olona marary sy efa mikohaka na sempotra ireo mitondra ny covid-19. Betsaka ny olona tsy misy soritr’aretina. Mila fitandremana sy fahamailoana. Ny fanajana ny toromarika rehetra hatrany no vahaolana. Efa nosaziana ireo tsy mitondra, fa ny ahy alefako lavitra hoe: tokony saziana ihany koa ireo mampdina azy amin’ny saoka na manantona amin’ny sofina satria mamita-tena ary lasa marefo ireny olona ireny, hoy ity Profesora ity. Ny olona mbola atao fitiliana, dia ireo olona akaiky ireo tranga vaovao. Misy avy hatrany ny fitsirihana, ary mandeha avy hatrany ny fanadihadiana lalina hoe taiza avy no nalehan’ireo olona 4 vaovao ireo, izay hita tamin’ny alalan’ny fitsirihana olona hafa efa voa vao tsy ela. Azo heverina ny fisiana olona voa any anaty fiarahamonina any. Hanaovana fitiliana ihany koa ireo olona misy soritr’aretina.

 

Ireo toerana nahitana Coronavirus eto Madagasikara hatramin'ny alatsinainy 27 aprily 2020

·         Analamanga: Isotry, Faravohitra, Ankadifotsy, Ambondrona, Itaosy, Alasora, Ampitatafika, Ambatokaranana, Soanierana, 67Ha

·         Toamasina

·         Analanjirofo: Fenerive Est

·         Moramanga: Ambatovy

·         Antsiranana

·         Nosy be (Hell-Ville)

·         Fianarantsoa

·         Morondava

·         Toliara

·         Tolagnaro

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana