Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Taorian’ny fihaonana tamin’ny Filoha Nanaiky ny Covid Organics indray ny ANANEM

25/04/2020

Ny 20 aprily no nanambaran’ny ANAMEM (Académie Nationale de Médecine de Madagascar) ivondronan’ny manam-pahaizana sy mpikaroka amin’ny fitsaboana sy mpisehatra amin’ny fahasalamana,

 

 

 

 

fa tsy voafaritra mazava ny porofo ara-tsiantifika momba io covid organics io, kanefa homena olona, indrindra fa ny zaza. Ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny tobim-pahasalamana ihany no mizara fanafody. Nivory ireo mpikatroka, ary nilaza ny handinika sy mbola hiady hevitra taorian’ny faharaisina dosie momba ny covid organics avy amin’ny IMRA, mbola hanao fikarohana. Nampanantsoin’ny Filoha ny 22 aprily ireo solontena, izay nantrehin’ny Minisitry ny fampianarana ambony. Nisy fanambarana avy eo, fa amin’ny tsy maha fanafody fa fanefitra nenti-paharazana nohatsaraina dia tsy manohitra ny fampiasana azy ny ANAMEM, fa kosa ao anatin’ny fanajana ny fatra voafaritra, indrindra ny ho an’ny ankizy. Nambara fa efa fantatra ny marina momba ilay zava-maniry sy ny asany araka ny antontan-kevitra teknika sy siantifika voaray. Mangataka kosa fanaraha-maso ireo olona efa nisotro. Nambara fa manohana ny ezaky ny fanjakana sy ny mpikaroka Malagasy izy ireo. Tokony nivory izahay androany dia nisy fanapahan-kevitra niraisana navoaka fa dia efa nataon-dreo tany, hoy kosa ny Profesora iray mpikamban’ny ANAMEM.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana