Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanadihadiana momba ireo marary Maro no mbola tsy afa-po

17/04/2020

Mitotaly 33 ny isan’ny marary voan'ny Coronavirus ka sitrana eto Madagasikara hatramin’izao.

 

 

 

 

Mbola manamafy ny Pr Vololontiana Hanta omaly fa tokony hajaina hatrany ny fepetra rehetra iadiana amin’ny fiparitahan’ity valanaretina ity. Manoloana ireo kihana samihafa momba ireo marary tsaboina izay nijanona ho tsiambaratelo ny momba izy ireo dia nanao fanadihadiana manokana ny haino aman-jerim-panjakana. Raha ny zava-misy aloha dia maro ireo teboka tsikaritra tao anatiny: matanjaka be ireo marary. Misy miaraka ao anaty efitra iray izy mianaka, ny iray “negatif” dia ny iray “positif”. Antony dia tsy mahasaraka an-dreniny io vehivavy efa lehibe io. Midika ve fa tsy atahorana hifindra aminy izany? Misy ilay olona iray tsy mbola nivoaka an'i Madagasikara fa nantsoina fotsiny hoe hanao fitiliana. Ireo mpitsabo dia tsy manana fitaovana manaraka ny fenitra. Minitra vitsy taorian` izay dia nisesy ireo fanontaniana samihafa teny amin` ny tambajotra serasera. Ny valinteny rehetra efa nomanina, fohy kely, … santionan` ireo tsikera fotsiny izany. Fanontaniana maro ihany koa no nipetraka: maninona no afangaro ireo “’négatifs”’ sy ny “positifs”? Mitaraina koa ny sasany hoe maninona no natao alina be? Maninona ireo mpitsabo no toa mangasihasy toy ireny zaza tsy tiana ireny? Ny fanontaniana tena manitikitika ny rehetra dia: "Inona ny fanafody izay nitsaboana ireo izay efa sitrana?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana