Dans la męme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Air France Hisy sidina manokana ny 4 aprily izao

01/04/2020

Mampandre ireo teratany vahiny ny masoivoho frantsay eto Antananarivo omaly tamin` ny tranokalany fa hisy sidina manokana ho tonga eny Ivato ny 04 aprily izao ka hihazo an`i Paris-Frantsa.

 

 

 

Tsy misy olona io fiaramanidina io migadona eny Ivato fa rehefa hiverina ho any Frantsa kosa izy vao hitondra mpandeha, hoy ny fanamarihana. Ho laharampahamena ireo olona mandalo, ireo teratany frantsay sy eoropeanina. Nomarihan` ny masoivoho hatrany fa tsy maintsy olona vita fizahana ara-pahasalamana ka azo antoka fa tsy voan` ny coronavirus no afaka mandeha amin’ io sidina manokana io. Tsy misy famandrihana toerana, hoy ny fanazavana. Ny zotra Air France dia hifandray mivantana an` ireo mpandeha mandalo eto Madagasikara izay efa nampandre ny masoivoho ny fandalovany eto amintsika. Miara-miasa akaiky moa ny ministeran` i Eoropa sy ny raharaham-bahiny Frantsay sy  ireo manam-pahefana eto an-toerana. Manentana ireo teratany vahiny mba hanaraka ny fitsipika ara-pahasalamana napetraky ny mpitondra eto an-toerana ho fiarovana ny rehetra ny masoivoho frantsay.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana