Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fitokana-monina 14 andro teny Anosiala Mitantara ny raim-pianakaviana iray

01/04/2020

Betsaka ireo efa tonga saina amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus eto amintsika ka miezaka ny manolo-tena mba hitokana ho

 

 

fiarovana ny ankohonany sy ny mpiara-monina ary ny firenena iray manontolo.

Tsy mahita tory, manonofy ratsy

Raim-pianakaviana iray nifandray tamina mpizahantany vahiny ny 14 martsa teo no fantatra fa nandeha teny Anosiala avy hatrany tsy mba afaka nody sy nanao veloma ireo vady aman-janany akory noho ny fitiavany ny ankohonany sy ny mpiray Tanindrazana aminy. Mafy ilay fitokana-monina raha araka ny fanazavany. Efitrano iray lehibe no hipetrahan’ny olona iray ary tsy misy afa-tsy izy irery no tao anatiny. Matahotra ihany koa anefa raha vao mivoaka satria olona mihiboka avokoa no manodidina ny tena hany ka tonga avokoa ireo karazana tebiteby sy krizy maro samihafa. Amin’ny alina anefa mbola tsy mahita tory ihany koa ny tena hoy hatrany izy no sady manonofy ratsy.

Tebiteby sy adin-tsaina

Voatsakotsako avokoa ny segondra niainany rehetra tao anatin’ny tontolo andro miampy ny tebiteby amin’ny fivoahan’ny valin’ny fitiliana natao. Ny hypocalcemie mantsy no niteraka ny harerahana sy ny maripana niakatra ho 37.8 ◦C nahatonga ity Raim-pianakaviana ity nanana ahiahy tamin’ny fahasalamany saingy ny ampitson'ny nahatongavany teny Anosiala ihany dia nihafana izany ary nidina ilay mari-panany. Ara-dalana ny sakafo raha araka ny fanazavany saingy ny hataon’ireo mpitsabo no misy tsy ara-dalana. Matetika mantsy no tsy tonga izy ireo mandritra ny roa andro hany ka ilay marary indray no voatery miantso raha misy zavatra tsy metimety. Herinandro aorian’ny fitazonana moa dia hafindra toerana ilay olona ahiahiana ka ho an’ity Raim-pianakaviana iray ity dia tany amina hôtely lehibe iray indray no nametrahana azy niandry ilay herinandro faharoa. Nivoaka ihany koa ny valin’ny fitiliana nataony taorian’izany izay samy “negatif” avokoa ka nisaotra an’Andriamanitra izy no sady faly mihaona velona indray miaraka amin’ireo ankohonany ihany koa.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana