Dans la mme rubrique

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

09/07/2020

Tena faly aho androany, tena faly ny fo ary misaotra an’Andriamanitra fa misy vaovao tsara hoentina amintsika satria tsy nisy ny aina nafoy,

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

Hamaky ny tohiny...

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

09/07/2020

Notanterahina omaly talata 08 jolay 2020 teo amin’ny Lapan’Anosikely ny fitiliana mahakasika ny valan’aretina Covid-19 ireo Loholona sy ny mpiara-miasa sasantsasany.

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

09/07/2020

Efa nampiseho fahasarotana na “forme grave” ny depiote Lucien Rakotomalala no noraisina teny amin’ny Hopitaly Hopitaly Miaramila na ny HOMI

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

09/07/2020

Tamin’ny fampitam-baovao nataony ny 7 jolay 2020, miantefa amin’ireo teratsay frantsay eto Madagasikara, no nanambaran’i Christophe Bouchard,

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

09/07/2020

Naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana manoloana ny famerenana ny fihibohana manomboka amin’ny 12 ora tolakandro eto Analamanga ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy omaly. Tsy hahomby anefa, hoy izy ireo,

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

Hamaky ny tohiny...

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

09/07/2020

Nidina ifotony teny amin’iny faritra 67 ha Avaratra-Atsinanana, FTA, IVO, Antohomadinika Avaratra ary Ankasina ny

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

09/07/2020

Tamin’ny 2 jolay dia 159 teo ny olona no tonga teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ka nisy ny tsisy soritraretina ary tao no nisy soritr’aretina ary nahitana olona tena nahiana mafy ny fahasalamany na « forme grave», hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony.

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Mitombo hatrany ny tarehimarika

01/04/2020

Tafiakatra 50 ny olona mitondra ny tsimok’aretina Covid 19 amin’izao fotoana izao.

 

 

 

Nisy 4 vaovao voamamarina fa voa indray mantsy omaly, izay mpandeha tao anatin’ilay fiaramanidina AF 934 avy any Frantsa, raha ny tetitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Ny 3 dia vazaha monina any Toamasina, ary ny iray dia mbola teratany vahiny ihany fa monina eto Antananarivo. 39 amin’ireo no tsy misy soritr’aretina, raha toa ka ahitana izany kosa ny 11 amin’izy ireo. Misy ny fitiliana lalina kokoa tanterahin’ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM, fa omaly ihany koa moa no nanomboka ny famerenana fitiliana. Ireo mpandeha tonga teo anelanelan’ny faha 11 -19 martsa ireo hanatanterahana izany amin’ny alalan’ilay “test rapide” izay eo amin’ny 20 minitra eo dia mivaly, ka ny 2 aprily no ho vita tanteraka. Ny hahafahana mitombon-tsaina no tanjona. Vita omaly mantsy fihibohana 15 andro. Ao anatin’izay no ahitana na mitondra ny tsimok’aretina na tsia, hoy ny Filoha Rajoelina teny amin’ny CCI Ivato toerana nanaovana ny fitiliana.

“CAS POSITIF” vaovao miisa 7

Miisa 731 ny fitiliana vita omaly, ka nisy olona 4 nitondra ny Covid 19 teny amin’ny CCI Ivato, ary ny 1 teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano. 588 ny isan’ny fitiliana teny amin’ireo toerana nanokanana ny mpandeha toy ny CNaPS, ka 2 tamin’izy ireny no nitondra. Olona vaovao miisa 7 indray izany no voan’ny Coronavirus taorian’ny fitiliana  omaly, ka raha atambatra amin’ireo 50 voalaza etsy ambony izany, dia manome 57. Fantatra anefa araka ny fanazavana azo teny amin’ny CCO COVID 19 Ivato omaly hariva fa mbola hamarinina eny amin’ny institut Pasteur ireo “cas Positif” miisa 7 voalaza etsy ambony ireo vao atsofoka ao anatin’ny antontan’isa.

Sary 1: Nandritra ny fitiliana natao omaly teny Ivato

ANKININA AMIN’ANDRIAMANITRA

Nanamafy ny tokony hijanonana any an-trano ny Filoham-pirenena, ary ankinina amin’Andriamanitra ny momba antsika, hoy ny Filoham-pirenena. Aorian’ny fivalian’izay fitiliana izay, ka raha voamarina fa tsy mitondra ny tsimok’aretina ireo olona ireo, dia homena ny taratasy manokana maneho ny fahavitany ny fitokana-monina, ka hiverina eny amin’ny fiarahamonina. Raha “negatif” ny valiny dia mazava fa mbola tsy nidirany ary tsy mitondra ny coronavirus velively ny olona iray vita fitiliana iray.

FITILIANA SAMY HAFA

Misy mampiavaka azy  ny fitiliana haingana  naTest de diagnostique rapide (TDR)  sy ny fitilianana anaty laboratoara eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM)  . 20 minitra dia vita ny fitiliana atao amin’ny alalan’ny TDR  ary mety olona 1000 no vita indray andro . 4 ka hatramin’ny 6 ora kosa no mivaly ny fitiliana atao eny amin’ny IPM, ary mety ho iray andro aza. 150 hatramin’ny 200 raha be indrindra isan’andro ny fitiliana vita, ka nahatonga ny fanjakana hampanofana ireo “bilologiste” Malagasy nambara fa hofanina, ary hisy ny laboaratoara hatsangana, ka 1000 isan’andro ny fitiliana mety ho tratra amin’izany. Azo adika io fa mbola ho elaela izany vao hifarana ity raharaha coronavirus ity. Ny olona hanaovana ny fitiliana haingana dia ireo efa misy soritr’aretina 7 ka hatramin’ny 14 andro no hitany, raha toa ka mety hatrany na olona salama tsara aza ho an’ny eny amin’ny IPM.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana