Dans la mme rubrique

Sambava Niakaran’ny voay ny lapan’ny Tanàna

02/06/2020

Tonga amin’ny ara-bakiteny hoe nikoropaka ny tao an-dapa ny zava-nitranga tao amin’ny lapan’ny tananan’I Sambava ny sabotsy teo.

Sambava Niakaran’ny voay ny lapan’ny Tanàna

Hamaky ny tohiny...

Behenjy Fiara kely tratra nitondra olona an-tsokosoko

02/06/2020

Misy hatrany ny olona mivoaka an-tsokosoko ny faritra misy azy amin’izao. Fiara kely iray indray no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Behenjy saika hivoaka

Behenjy Fiara kely tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

Hamaky ny tohiny...

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

29/05/2020

Misaona ny faritr’Analanjirofo satria dia nodimandry omaly maraina ny lehiben’ny faritra vonjimaika, Honoré Tsaramandihy.

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

28/05/2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

28/05/2020

Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Asa aman-draharaha Mampiroborobo ny “télétravail” ny Coronavirus

25/03/2020

Mitombo ny tahotra manodidina ny fiparitahan'ny coronavirus ary miezaka ny hampifanaraka azy io ny tontolon'ny asa. Raha toa ka tafiakatra 17 ny isan` ireo olona voamarina fa mitondra tsimokaretina « coronavirus » eto Madagasikara, naka fepetra ireo orinasa sasany eto an-drenivohitra ka hampiharina ny tafiditra ao anatin` ny « télétravail ». Izany hoe, manao ny asa any an-trano fa alefa amin` ny alalan` ny aterineto ny asa.

Manazava izany ny lalàna mifehy ny asa ao amin` ny and. faha- L1222-11 ary manambara toy izao: “rehefa tojo tranga miavaka, indrindra raha misy valanaretina mifindra, na raha toa ka mahery setra dia azo raisina ho toy ny fandaharanasa ny “télétravail” izay hamela ny fitohizan' ny asan' ny orinasa sy hiantohana ny fiarovana ny ain` ny mpiasa”. Manana tombony tokoa isika eto Madagasikara satria isika no voalohany amin` ny hafainaganan` ny “téléchargement” eto Afrika ary laharana faha-22 maneran-tany. Raha ny fanadihadiana natao dia misy amin` ireo mpiasa no mahazo tombony kokoa amin` ity fomba fiasa ity.

Vavolombelona

Ho an` i Mamy R, izay misehatra amin` ireny call-center ireny “Tombony ho ahy ny zava-misy amin` izao satria efa aman-taonany aho no niasa nandray appel. Afaka miasa eto ambony fandriana (hehy) sady tsapako fa “productif” kokoa. Ny alatsinainy teo no nandray io fepetra io ny lehibenay. Mahavita mandamina ny asako faran` izay haingana aho satria tsy dia misy tsindry toy ny andavanandro”. Misy kosa ireo tsy dia mankasitraka ny fomba fiasa toa an` i Patricia R, izay misehatra ao amin` ny tontolon` ny serasera sy ny varotra “Ahoana moa no ahafahako miasa aty an-trano kanefa ny asanay dia tsy maintsy mifandray amin` ny mpanjifa mivantana? Tsy maintsy manenjika ny tanjona napetrak` ny orinasa (objectif de vente) anefa. Izaho rahateo reny dia ny ankizy ato an-trano ka somary mikorontana ambony ambany”. Ho an` i André, mpiasa birao, ihany koa dia tsy mankasitraka ny “télétravail”. Antony, hoy izy, tsy nanome fitaovana ny mpampiasa sady ny fahana na “credit” dia tsy ahitàna eny an-tsena. Ireo “cyber” rahateo dia mihidy kanefa ny hariva vao tena tototry ny asa. Ny iombonan` ireo mpiasa nanaovana fanadihadiana aloha dia tsy mitovy ny “ambiance de travail” sy any an-trano. Tsy misy ilay fifandraisana sy serasera mivantana fa tonga dia ianao sy ny solosaina an-tanana (laptop) sy ny aterineto kanefa io toy ny zava-mahadomelina. Marihana fa tany Frantsa, dia ny 16 martsa lasa teo no namoaka didy ny governemanta ao aminy fa mihatra ny “télétravail” noho ny fihanaky ny COVID-19.

Raha tsiahivina, ny taona 1993 no nanomboka ny fisian` io fomba fiasa “télétravail” io ary ny taona 1995 no nankatoavin` ny G7 mba hisorohana ny fandotoan` ny tontolo iainana. Raha ny fanadihadiana nataon` ny Polycom tamin` ny 2017, mamokatra kokoa ny 86%n` ireo mpiasa amin` ity fomba fiasa ity.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana