Dans la mme rubrique

Tsy ho diso mandrakizay ?

02/06/2020

Misafotofoto tanteraka ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao ka asa na hanao ahoana ny hiafarany ? Ny valanaretina coronavirus mitombo isan’andro ny voa, misy ny mamoy ny ainy,…

Tsy ho diso mandrakizay ?

Hamaky ny tohiny...

Mbola ankamantatra…

29/05/2020

Ny fanampiana avy amin` ny fanjakana dia mbola tsy misy resaka. Mahatsiaro tsisy mpiahy ireo orinasa izay mampiodina ny toekarena.

Mbola ankamantatra…

Hamaky ny tohiny...

Ory kolontsaina

28/05/2020

Saham-piheverana vokarin’ny kolontsaina fa tsy Voajanahary akory ny atao hoe Hasina, hoy ny mpandinika iray omaly.

Ory kolontsaina

Hamaky ny tohiny...

Tsy misy marina izay tsy hiseho

27/05/2020

Nangina tsy nisy nandrenesam-peo intsony ireo vondrona manam-pahaizana nitondra fanakianana noho ny fahitana tsy fanarahana fenitra ara-tsiantifika momba ilay tambavy CVO, taorian’ny fiantsoana tany an-dapa.

Tsy misy marina izay tsy hiseho

Hamaky ny tohiny...

Fahantrana lalina

26/05/2020

Midina ny fahefa-mividin’ny valalabemandry. Maro rahateo ireo very asa vokatr’izao krizy izao.

Fahantrana lalina

Hamaky ny tohiny...

Atao haingam-pandeha daholo !

23/05/2020

Tsy vao sambany amin’izay heverina ho vakoka nokitihan’izao fitondrana izao akory ny lapan’i Manjakamiadana, raha ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no akana ohatra.

Atao haingam-pandeha daholo !

Hamaky ny tohiny...

Kimaizimaizina…

22/05/2020

Mihazakazaka ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nambaran’ny fitondram-panjakana tany am-boalohany fa atao ao anatin’ny

Kimaizimaizina…

Hamaky ny tohiny...


Edito

Hambo-po diso toerana

18/03/2020

Todihana ny lasa hakana lesona sy hahafahana mibanjina ny ho avy. Andeha hiverenenana kely ary ny tantara satria mbola tsy tara angamba isika raha mahatsiahy, fa kihon-dàlana ho an’ny firenena ny datin’ny 17 martsa 2009, izay feno 11 taona katroka omaly.

 

 

Voatery nametraka fialana ny Filoha tamin’izany rehefa nihamafy ny fandrodanana azy: may ny orinasa maro be, maro ny olona maty, betsaka ny very asa,… Tolona sy revolisionina hanavotana ny firenena no novoizina tamin’izany. Moa ve tena nihatsara tokoa ny fiainan-dRamalagasy? Tsy mamendrofendro na mamoha fota-mandry, fa tena tsy tafarina mandrak’androany ny fahavarana: ara-toekarena, ara-politika, ara-kolontsaina,… Tafapetraka ny kolontsain’ny ory hava-manana, ka lasa tia mifamely sy mifamotika ny Malagasy, indrindra fa ny mpanao politika. Hita miharihary mandrak’ankehitriny izany. Mitsiriritra ny hafa no mba azontsika atao, raha handray ny fihetsiky ny Frantsay izay isan’ny fakantsika tahaka matetika. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika eo amin’ireo filoha teo aloha, dia niantso tsy nisy fisalasalana an’i Nicolas Sarkozy sy François Hollande ny Filoha Emmanuel Macron manoloana ny valanaretina coronavirus sy ny olana ara-toekarena. Mifampihaino sy mifanoro hevitra satria tombotsoa ambonin’ny firenena no jerena. Mety nanana ny fahadisoany sy ny fahalemeny ireo filoha teo aloha, fa manana ny fahaiza-manaony sy traikefany ary vahoaka ao an-damosiny, matoa tonga teo amin’io toerana farantampony io, ary misy zava-tsoa azo tovozina foana any aminy. Zary lasa sakay sy maso hatrany ny mpitondra am-perinasa sy ny nodimbiasana. Mifamotika sy mifanagadra aza no toa laharam-pahamehana voalohany. Na efa hita izao aza fa misy tsara sy mety ny hevitry ny tsy eo amin’ny fahefana, dia tsy henoina satria mpifandrina ara-politika. Ny hambo-po diso toerana no lehibe indrindra, hany ka toa diso hatrany ny laharam-pahamehana matetika. Hatreto  dia mifamotika sy mifamingana hatrany na mivantana na an-kolaka, ka asa rahoviana vao mba hifamelona e?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana