Dans la mme rubrique

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava

17/04/2020

Efa tsara aloha ilay nampahafantatra ny vola fanampiana azo mba hiatrehana ny covid 19.

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava

Hamaky ny tohiny...

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

 

 

hoy izy ny fametrahana ny Masoivoho manokana ho fiarovana ny Mpanjifa satria na dia eo aza ny lalànan’ny tolotra sy tinady mety hiteraka fisondrotam-bidim-piainana dia misy mihitsy ihany koa ny fanararaotana. Mety nisy ihany koa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana nahatonga ny fidanganam-piainana tahaka ny fampiakara ny karaman’ny mpiasam-panjakana kanefa tsy narahana aro fanina. Azo ekena raha mitaha amin’ny vidim-piainana izay misondrotra isan’andro ny fanondrotana ny karama saingy tokony hisy hatrany ny aro fanina miara-dalana amin’ireny fandraisana fanapahan-kevitra ireny mba ho tombony ho an’ny mpanjifa sy ny toekarena mihitsy. Hatreto aloha dia  ambony ary miakatra hatrany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny faran’ny taona 2019 ary mipaka indray aty amin’ny taona vaovao izany. Tokony hotazonina ho 6% anefa izany raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI). Miseho tsikelikely sy miandalana amizao ny lala-mankany amin’ny fidanganam-bidim-piainana izay mihamafy hatrany. Eo ny fiakaran’ny entana ilaina andavanandro izay mampikaikaika ny Malagasy ary saika manao izay saim-pantany fotsiny ireo mpivarotra. Ilaina ny fanamafisana ny asan’ireo sampana mazava mijery manokana ny fisondrotan’ny entam-barotra hiadivana amin’ny fanararaotana. Mijaly ny mpanjifa ary andrasana ny fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny fanjakana satria efa miaina tanteraka anatin’ny fisondrotam-bidim-piainana isan’andro ny Malagasy kanefa ny fahefa-mividy latsaka ambany dia ambany.

 

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana