Dans la męme rubrique

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

02/06/2020

Fotoana nilatsahan’ny fanahy masina ny andron’ny pantekoty, saingy hafa mihitsy ny fihetsika sy firesaka nasehon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitantanana firenena Aoka izay ny mpitondra tsy niomana

06/03/2020

Na dia mihazakaza amin`ny fampandrosoana sy amin`ny fandaminana anatin`ny firenena mba hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka isika amin`izao dia manome endrika ratsy ho an`i Madagasikara ny

 

fikorontanana ara-politika eto amintsika. Na eo aza ireny fanambarana manaporofo ny tsy fahamarin-toerana ny fitondram-panjakana, ireny fanamarihana maro ataon`ny mpanohitra dia ireo fanapahan-kevitra raisin`ny fanjakana toy ny valifaty politika, fifanarahana tsy mazava… no vao mainka mandentika azy. Mihazakazaka any amin`ny fanovana lalàmpanorenana indray ny mpitondra. Hanova izany isaky ny hiova filoha izany isika. Midika ho tsy fahamatoran`izany. Jereo anefa Etazonia, an-jato taona maro ny lalàmpanorenana. Amin`izao fotoana izao, tsy misy mpamatsy vola vonona hiara-kiasa amin`ny fitondrana. Tsy ny tontolo politika loatra no olana fa ny fomba fiasan`ny fitondrana mihitsy. Mila vina matipaika sy fandaharan`asa mirindra sy mahazo fankatoavan`ny vahoaka ny firenena fa tsy manao zavatra hafa tahaka ny mpitondra amin`izao fotoana izao, nampanantena ny vahoaka hanafoana ny delestazy, tsy hivarotra tanindrazana kanefa ny atao ihany no atao.  Na efa taona iray mahery aty aoriana vao mamoaka ny PEM, tsy nifampierana tamin`ny vahoaka ary mifampiraharaha amin`ny mpamatsy vola nefa tsy misy tohiny. Tsy misy ifandraisany amin`ny fampanantenan`ny filoham-pirenena tamin`ny vahoaka tany am-piandohana intsony amin`izao. Tsy ilaina ny filoha tsy manana olona nefa hitondra firenena. Mila atsahatra amin`izay ity filoham-pirenena tonga tampoka eo amin`ny fitondrana mba tsy hiverenan`ny tahaka izao manjo ny firenena izao intsony.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana