Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

02/06/2020

Fotoana nilatsahan’ny fanahy masina ny andron’ny pantekoty, saingy hafa mihitsy ny fihetsika sy firesaka nasehon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy fotoanan’ny fanakorontanana izao”

06/03/2020

“Tsy fotoana ny adilahy politika intsony izao fa fampandrosoana ny firenena no tokony hojerena,” hoy ny praiminisitra Ntsay Christian raha nanontaniana ny raharaha politika misy ankehitriny.

 

Raha ny resaka CENI, dia nanao fanambarana izany vaomieram-pirenena izany tamin`ny anarany hoe  fanambarana nataon`ny mpikambana iray ao aminy iny fa tsy amin`ny anaran`ny CENI mihitsy. Noho izany, olona iray no nanao fanambarana ka aoka hazava, hoy ny lehiben`ny governemanta. Ninian`ireo mpanohitra ankehitriny navadika amin`ny adihevitra diso hatrany ny fanapahan-kevitra izay noraisin`ny fitondram-panjakana entina hampandrosona ny firenena. Misy tompondaka eran-tany amin`ny fanaovana politika ka avela azy mikasika izay tsy natao. Ny mpanao politika dia tokony hahalala tsara fa tsy eken`ny malagasy intsony ny hitohizan`ny krizy vaovao. Tsy mendrika ho an`ny vahoaka Malagasy intsony ny fisian`ny krizy politika fa ny fiaraha-misalahy amin`ny fiainan`i Madagasikara no tokony hatao. Miandrandra fampandrosoana ny Malagasy. Ny fitoniana no ahafahana mitondra fampandrosoana  an`i Madagasikara manoloana ny sahoan-dresaka miseho amin`izao fotoana izao, hoy hatrany ny fanazavana. Izao indray aloha vao re naneho hevitra  ny praiminisitra Ntsay raha nangina teo aloha teo

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana