Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana nampivarahontsana Rangahy voatsatoka antsy, ramatoa voatifitra

10/02/2020

150 m monja miala ny kaomisarian’ny Polisy ao Ambositra no misy ilay “shop airtel” notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady 9 febroary.

Tafakatra hatrany amin’ny rihana faharoa misy ny tompon-trano ireo jiolahy rehefa avy nanapaka ny jiro tamin’ny kaontera amin’ilay trano, raha ny vaovao azo. Naratra voatifitra basy ilay renim-pianakaviana, ka voatery nandalo fandidiana avy hatrany tao amin’ny hopitaliben’Ambositra izy vantany vao tonga tao. Naratra mafy voavely « barre à pince » sy tsatok'antsy rangahy vadiny, ary niditra efitrano fandidiana omaly ihany koa. Tsy voakitika kosa ny efitrano fivarotana tao ambany rihana. Lasan’ireo jiolahy ny vola be sy ny fahana ary finday tao amin’ny fitoeran’entana tao ambony rihana. Farafahakeliny poa-basy in’efatra no henon’ny manodidina nanakoako tao anaty haizina. Ny havan’ny maratra no niezaka nanavotra azy mianakavy tao an-trano ka nitondra azy ireo namonjy hopitaly. Efa lasa minitra maromaro ireo jiolahy no voalaza fa tonga ny mpitandro ny filaminana, nefa tsy lavitra ny Kaomisaria ny trano voatafika. Tranga izay somary nahatezitra ny mponina.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana