Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Nosy be Hell Ville Natoka-monina ilay mpianatra avy any Chine

10/02/2020

Nisy tovolahy mpianatra Malagasy avy any Chine tonga tamin’ny zotram-piaramanidina ET 837 an’ny Ethiopian Airlines ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

Nahiboka sy natoka-monina avy hatrany ao amin’ny hopitalin’i Nosy be ity zazalahy ity. Fepetra tsy maintsy noraisina izany, hoy ny tompon’andraikitra na dia tsy misy fambara na soritr’aretin’ny Coronavirus aza izy. Efa nisy ny fizahana nataon’ny mpitsabo tany an-toerana ka tsy misy aloha ny ahiana araka ny fanazavana voaray. Ny zoma 7 febroary no fantatra fa nandao an’i Chine ity mpianatra ity ka nankany Bangkok, Thailande. Avy ao indray izy no nandray fiaramanidina ka nihazo an’i Addis Abeba Ethiopia. Teo izy no niondrana tamin’ny fiaramanidin’ny Ethiopian Airlines ka izao tonga ao Nosy be izao. Efa izy tonga vao gaga ny rehetra. Fa tsy fantatry ny masoivohon’i Madagasikara any Chine mihitsy ve izany ny fandehanan’ity teratany Malagasy ity ? Hita amin’io diany io anefa fa efa mipetrapetraka ny paikady nampiasainy, tsy maintsy nanao famandrihan-toerana tamin’ny fiaramadinina roa karazana izy izany, izay vao niainga. Azo ambara fa mbola goragora ilay fepetra noraisina matoa misy olona avy any Chine  tafiditra eto Madagasikara. Ity tovolahy ity aloha izao no hita, fa tsy fantatra izay mety efa nitranga na mbola hitranga, midadasika rahateo ny sisin-tanin’i Madagasikara ary mbola misy ny zotram-piaramanidina vahiny mivezivezy eto Madagasikara tsy mametraka olana ny amin’ny fitaterana olona avy any Chine.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana