Dans la mme rubrique

Sehatra tsy miankina ara-dalàna Manjavozavo ny fanampian’ny fanjakana

05/06/2020

V Hatreto dia tsy hita mazava ny fanampiana ataon’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina anatin’ny ara-dalàna hoy ny filohan’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Frantsa-Madagasikara (CCIFM),

Sehatra tsy miankina ara-dalàna Manjavozavo ny fanampian’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

EDBM “Ilaina ny fampiroboroboana ny famoronana asa”

05/06/2020

Hihena eo amin` ny 30% ny fampiasam-bola maneran-tany vokatry ny aretina raha ny nambaran` ny tale jeneralin` ny EDBM.

EDBM “Ilaina ny fampiroboroboana ny famoronana asa”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny FIVMPAMA “Mila tosika ny enti-manana hanodinana ireo orinasa”

04/06/2020

“Zava-dehibe ny fanambarana nataon` ny filoham-pirenena ny alahady teo mikasika ny fihaonan` ny sehatra tsy miankina amin` ity faran` ity herinandro ity.

Filohan’ny FIVMPAMA “Mila tosika ny enti-manana hanodinana ireo orinasa”

Hamaky ny tohiny...

Taotrano sy asa vaventy 50%-n'ireo mpandraharaha no efa nampiato ny asa

04/06/2020

Nisy ny fivoriana sy ny fifanakalozana nijerevana ny olana atrehan’ ireo mpandraharaha misehatra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy tetsy amin’ny Hotely IBIS Ankorondrano omaly.

Taotrano sy asa vaventy 50%-n'ireo mpandraharaha no efa nampiato ny asa

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Ny fanjakana indray no ananan’ny QMM 92 tapitrisa dolara

03/06/2020

Manan-karena an-kibon’ny tany ny firenena ka nahoana isika no mahantra? Hitohy tahaka izany foana ve ny fitantanana ny firenena sa misy fotoana tsy maintsy handinika sy hametraka paiakady vaovao?

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Ny fanjakana indray no ananan’ny QMM 92 tapitrisa dolara

Hamaky ny tohiny...

Fizahan-tany Mikatso tanteraka

03/06/2020

Mamerina ny antso efa nataony hatramin` izay ireo mpisehatra amin` ny fizahan-tany manoloana ny olana goavana sedrain` izy ireo vantany vao nanomboka ny krizy ara-pahasalamana.

Fizahan-tany Mikatso tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Dr jean-Louis Robinson “Hanampy an’i Madagasikara hiala amin’ny fahantrana i Sina”

03/06/2020

Tontosa tamin` ny herinandro lasa teo ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka (ANP) any Sina.

Dr jean-Louis Robinson “Hanampy an’i Madagasikara hiala amin’ny fahantrana i Sina”

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fitomboana ara-toekarena Tokony hahatratra 2,4% amin’ity taona ity

10/02/2020

Vinavinaina ho 2 ,4% ny fitomboana ara-toekarena manerantany ho an’ity taona 2020 ity araka ny fanambaran’ny banky iraisam-pirenena.

Maro anefa ny sakana amin’izany, indrindra ny amin’izao fiatombohan’ny taona izao ary tena mahakely finoana ireo mpandinika ara-toekarena mihitsy. Tsy azo tsinontsinoavina ary anisan’ny mamotika ny toekaren’izao tontolo izao ny aretina coronavirus any Sina. Loza ara-toekarena ihany koa ny fifanolanana eo amin’i Iran sy Etazonia izay raha mitohy dia tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’ny tsenan’ny solitany. Manginy fotsiny ny fialan’ny anglisy ao amin’ny vondrona eoropeanina na ny Brexit. Manampy ireo ny tsy fitovian-kevitra intsony eo amin’ny mpitantana ao anatin’izany Vondrona Eoropeanina izany. Nalaza be ihany koa tato ho ato ny krizy sosialy any Amerika atsimo toy ny any Venezuela sy any Honduras.

Taona 2019 : nampihemotra ny toekarena ny fanatontoloana

Raha hiverenana ny toe-draharaha ara-toekarena tamin’ny taona 2019 dia tsapa ary hita fa nihen-danja ny fanatontolona (démondialisation). Vokatry ny fihenan’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany (commerce international), ny fiarovana be loatra  na ny protectionnisme nataon’i Etazonia, indrindra ny disadisa ara-barotra  tamin'ny sinoa sy Etazonia no manimba ny toekarena manerantany. Ireto manaraka ireto no mamaritra ny fanatontolona (mondialisation)  izay efa tsy nataon’ireo firenena manankarena ireo ho laharam-pahamehana intsony kanefa ahazoana tombony be ara-toekarea. Ny voalohany dia ny fitambarana dingana hamaritana ny fahombiazan’ny paik’ady ampiasain’ny orin’asa na fikambanana iray (chaîne de valeur) mba hahazahoany tombony mihoatra ireo mpifanandrina aminy. Tafiditra amin’izany ny fampiasana vola any ivelan’ny firenena na ny IDE izay nahazoana tombony amin’ny fandoavana karama mora. iainana ka manome vahana ny fifanakalozana (échange) sy ny fampiasana zavatra efa niasa (seconde main).

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana