Dans la męme rubrique

Diabeta 30%n` ireo marary no tsy maharaka fitsaboana

10/08/2020

70 hatramin` ny 100 isan-andro no olona tonga manao fizahana ara-pahasalamana mandritra ny firongatry ny aretina Covid 19 eny amin` ny AMADIA, toeram-pitsaboana ny diabeta.

Diabeta 30%n` ireo marary no tsy maharaka fitsaboana

Hamaky ny tohiny...

Tahotra diso tafahoatra Isan’ny mampihena hery fiarovana

16/07/2020

Na hohanina daholo aza ny karazana legioma sy voankazo ary atao daholo ihany koa ity karazana raokandro rehetra ity dia zava-poana rehefa tafahoatra ny tahotra ny aretina COVID 19,

Tahotra diso tafahoatra Isan’ny mampihena hery fiarovana

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny fahasalamana Notoloran’ny fanjakana Amerikana arotava 4.000 isa

10/07/2020

Nahazo arotava miisa 4.000 ireo mpiasan'ny fahasalamana lohalaharana amin’ny ady atao amin’ny COVID-19 ao Toliara sy Moramanga.

Mpiasan’ny fahasalamana Notoloran’ny fanjakana Amerikana arotava 4.000 isa

Hamaky ny tohiny...

Rafanomezantsoa Jean Nirina “Notambazana 4 miliara Ar aho saingy tsy nanaiky”

09/07/2020

Taorian’ireo resabe nandeha momba azy tao anaty tambajotran-tserasera facebook mikasika ny tsy fahafahany manao dokam-barotra intsony dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny Filohan’ny FI.TRA.MA

Rafanomezantsoa Jean Nirina “Notambazana 4 miliara Ar aho saingy tsy nanaiky”

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny gripa mahery Tsentsina be ny orona, tsy mahare fofona…

06/07/2020

Efa ho tapa-bolana izao no nitaraina ny ankamaroan’ny olona fa misy gripa mahery miparitaka eto amintsika.

Mirongatra ny gripa mahery Tsentsina be ny orona, tsy mahare fofona…

Hamaky ny tohiny...

CSB II Sabotsy Namehana Maty teo am-pilaharana ilay lehilahy

06/07/2020

Tsy hay izay nanjo ny lehilahy iray nilahatra hizaha fahasalamana tetsy amin’ny CSB II Sabotsy Namehana ny faran’ny herinandro teo fa dia maty teo am-piandrasana teo ilay lehilahy.

CSB II Sabotsy Namehana Maty teo am-pilaharana ilay lehilahy

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Fahasalamana Zava-dehibe aminy ny fitantanana mangarahara

06/07/2020

Nitafa sy nifampidinika tamin’ireo filohan’ny Sendika sy solontenan’ny mpiasa ao anatin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr Ahmad Ahmad sy ny Sekretera Jeneraly Pr Solofomalala Gaëtan Duval ary ny Talen’ny kabinetra ny 03 jolay 2020.

Minisitry ny Fahasalamana Zava-dehibe aminy ny fitantanana mangarahara

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Aretina Coronavirus 130 miliara euros ny fatiantoka ara-toekarena

03/02/2020

130 miliara Euros ny fatiantoka ho an’ny toekarena sinoa hatreto Orinasa maro no nanakatom-baravarana aloha. Omaly alahady, nandrotsaka vola 156 miliara Euros ny banky foibe sinoa hanavotana ny toekarena...

 

 

Ny faritr’i Wuhan izay tena ivon’ny Coronavirus no avokavoky ny indostria amin’ny resaka fiara sy ny tontolon’ny elektronika any chine. Tao no lasibatra voalohany, ary be maty indrindra.  Ny sehatra fizahantany sy ny  fitaterana  dia isan’ny tena voa mafy. 304 maty ary 14 000 no efa mitondra ny tsimokaretina raha ny tatitra farany omaly. Mitoka-monina tanteraka i Sina ankehitriny satria na ireo mponina any aza dia tsy navela hivoaka mankany amin’ny firenen-kafa intsony mandrapahitana vahaolana amin’ny aretina. Ankoatra izay, ireo kaompania amin’ny fitaterana  ana habakabaka rehetra dia efa nanapaka ny sidina mankany Sina. Anisan’izany Air France, British Airways, Air Canada, Lufthansa, United Airlines, American Airlines ary ny eto Madagasikara sy ireo hafa koa. Disney aza moa dia nanidy ny toeram-pilalaovana any Shangai sy Hong Kong mihitsy. Anisan’ny mampidi-bola be ho an’ny Sina ary manatsara ny toekareny ny sehatra fizahantany sy ny fitaterana ary tsy maintsy hisy akony ratsy amin’ny harinkarena faobeny izao raha mitohy. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa miantraika tsikelikely any amin’ny sehatra hafa tahaka ny teknolojia, fanjifana izany. Araka ny nambaran’ny fahitalavitra Sinoa CGTN dia efa nisy ny sitrana voalohany tamin’ny 30 janoary lasa teo tany Qingyuan Guangdong. Tena nararin’ny Coronavirus io olona io ary efa nivoaka ny hopitaly satria sitrana soamantsara, hoy ny tatitra. Andrasana ny tohiny!

Tsirinasolo sy Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana