Dans la mme rubrique

Ady amin’ny kolikoly Nofanina ny holafitry ny mpisolovava

05/06/2020

Nisy omaly ny fampiofanana ireo mpikamban’ny holafitry ny mpisolovava mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ny Transparency international – initiative Madagascar moa no tompon’antoka tamin’ity fampiofanana ity.

Ady amin’ny kolikoly Nofanina ny holafitry ny mpisolovava

Hamaky ny tohiny...

Korontana ao Toamasina «Misy ambadika politika», hoy Famindra Justin

05/06/2020

Manameloka ny endrika fambolena korontana sy fanambarana miendrika fanonganam-panjakana tany Toamasina ny depiote Famindra Justin,depiote voafidy ao Toamasina I.

Korontana ao Toamasina «Misy ambadika politika», hoy Famindra Justin

Hamaky ny tohiny...

Mpanampy an-trano Misy tena fetsy sady mangalatra

05/06/2020

Mpanampy an-trano iray no nampitaraina renim-pianakaviana iray fatratra tao anaty tambajotran-tserasera facebook.

Mpanampy an-trano Misy tena fetsy sady mangalatra

Hamaky ny tohiny...

Matsaborilava Ambanja Lehilahy voakapa tanana noho ny resaka vehivavy

04/06/2020

Nitrangana toe-javatra mampihoron-koditra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Matsaborilava, distrikan’Ambanja, omaly.

Matsaborilava Ambanja Lehilahy voakapa tanana noho ny resaka vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Tambavy CVO Ilay fanafody diplaomatika…

04/06/2020

Omaly no nandefa fiaramanidina manokana teto amin'ny BANI Ivato mba haka ny fanomezana avy amin'ny Fanjakana Malagasy ny Émirats Arabes Unis.

Tambavy CVO Ilay fanafody diplaomatika…

Hamaky ny tohiny...

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

03/06/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana narahana fitsoahana andraikitra teny Ambodivonkely Ambohimanarina ny alatsinain’ny Pentekosta lasa teo tokony tamin’ny 9 ora sy 20 minitra alina.

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

03/06/2020

Hampidirana anisan` ireo hazo ho voalena amin` ny taom-pambolena nasionaly manaraka ny Bambou, araka ny fampitam-baovao navoakan` ny ministeran` ny tontolo iainana sy ny ala (MEDD).

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Haino aman-jerim-panjakana Miasa anaty horohoro ny mpiasa

08/01/2020

Efa hatramin’ny fiafaran’iny taona 2019 iny no nahenoana fitokonana samihafa nataon’ny avy eo anivon’ny ORTM na ny fiadidiana ny haino aman-jerim-panjakana tamina faritra sasantsasany teto

 

 

 

Madagasikara. Araka ny fampitam-baovao iray dia efa nisy mpiasa noroahina maromaro ary antony nisian’ny fitokonana tao Toamasina farany teo, ohatra, ny fandavana ny fandroahana ireo mpiasa mbola tsy vita fifanarahana na ECD. Misy ankehitriny ny feo mandeha eo anivon’izay tontolon’ny haino aman-jerim-panjakana izay fa mbola misy ECD miisa 200 horoahina amin’ity taona ity. Mahavalalanina ireo mpiara-miasa eo anivon’ny ORTM kosa ny fisiana olona akaiky ny minisitry ny serasera, Lalatiana Andriatongarivo, izay efa avy nigadra kanefa dia mbola nampiandraiketana toerana ambony sy saropady eo anivon’ny minisitera sy ny ORTM ihany ankehitriny. Tsy vitan’izay fa savaina tsirairay ireo mpiasa miditra sy mivoaka etsy amin’ny RNM sy ny TVM Anosy, raha ny loharanom-baovao iray ihany. Mihorohoro, araka izany, ireo mpiasa ary manaitra ny sain’ny manampahefana ambony kokoa noho ny minisitra satria manaratsy endrika ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana ny zavatra tahaka izao, ary tsy mety ihany koa ny miasa ao anatin’ny fitaintainana, hoy izy ireo. Nametraka fanamby ny amin’ny hanatsarana ny haino aman-jerim-panjakana moa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo, ka mety tafiditra ao anatin’izany tokoa ve izao zava-mitranga izao sa inona no tena tanjona ?

 J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana