Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

29/05/2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiarovana ny tanindrazana Mitovy ny Raharaha Ambohitrimanjaka sy Soamahamanina

02/01/2020

Somary nangina ny tenako tao anatin’ny 2 na 3 volana teo satria nanaraka ny fizotran’ny raharaham- pirenena, hoy ny mpanao gazety sady mpamakafaka raharaham-pirenena, Fernand Cello, i

zay

kandida ho ben’ny Tanana tao Ilakaka ihany koa. Isan’ireo vaovao nanaitra ny maro ny nandre fa

hatao eny Ambotrimanjaka ny tetikasa  Tanamasoandro . Toerana misy fambolena ary

tanindrazan’olona anefa, hoy hatrany ny fanehoan-keviny. Isan’ireo nitabataba ary nanampy ny

mponina tao Soamahamanina ireo olon’ny fitondrana ao an-dapa ankehitriny sy ireo Mpanao gazety

nivondrona tao anatin’ny MLE (Mouvement pour la liberté d’expression). Lasa Aiza ireo olona ireo

ary firy tamin’izy ireo no niresaka ny zava nitranga teny Ambotrimanjaka, hoy ny fanontaniany.

Rehefa tahaka ny inona no mijoro ny fikambanana mpanao gazety miaro ny tonotolo iainana na

tanindrazana iombonana ? Misy amin’ireo mpanao gazety namana ireo lasa Minisitra

,Solombavambahoaka Ankehitriny,saingy toa mifanohitra tanteraka amin’ny ady nataony 3 taona

lasa ny fihetsika asehony rehefa ao anaty fitondrana izy? Tsy mba heno nandritran’ny

fampielezankevitry ny filoha ankehitriny ny hoe hisy izany tetikasa Tanamasoandro izany eny

Ambohitrimanjaka. Nanenjika mafy ny Fitondrana teo aloha izao fitondrana izao tamin’ireny

raharaha nitranga tao Soamahanina ireny saingy Ankehitriny rehefa nahazo fahefana ka mitantana ny

firenena dia tanindrazan’olona misy tanimbary no alainy. Tsy mety ny fikasan’ny fitondrana haka

tanin’olona eny Ambotrimanjaka ary tsy mahay maka lesona ny amin’ny ireo zava nitranga teto

amin’ny FIrenena, hoy hatrany i Fernand Cello.

 

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana