Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Herisetra mampivarahontsana Notifirina teo amin’ny vavany ilay tovolahy

26/12/2019

Tovolahy iray naratra mafy no tonga nanatona tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny Hopitaly Tsiroanomandidy ny marainan’ny talata 24 desambra teo.

 

Potika tanteraka ny vavany, izay voalaza fa nisy nitifitra tamin’ny basim-borona ka izay no tsy maintsy nanatonany ny "Urgence" tao amin’ity hopitaly ity. Fitsaboana vonjimaika ihany no vita tao Tsiroamandidy satria tsy maintsy tohizana aty an-drenivohitra ny ratra. Soa ihany fa tsy namoy ny ainy ilay tovolahy ary mbola nahatsiaro tena tsara. Niantso sy nanaitra ny tsirairay ny mpitsabo ao Tsiroanomandidy mba samy hahay hifandefitra fa tsy hifandratra sy hifamono toy izao ny samy Malagasy. Izy ireo no naka alalana manokana tamin'ny fianakaviana ka namoahana ny sarin’ity tovolahy ity mba hanairana sy hanentanana ny tsirairay samy hiady amin'ny herisetra. Tsy fantatra mazava izay tena anton’ny tsy fifankahazoana nitarika izao herisetra goavana izao. Raha ny fahitana sy ny fanombanana azy, dia sady matanjaka no nofosana mety afaka niaro tena ihany ity tovolahy ity, saingy sendra ny atody niady tamam-bato ihany teo anatrehan’ny fitaovam-piadiana nahery vaika nanoloana azy. Na inona na inona mety ho antony, heloka sy helohin’ny lalàna ny fandratrana sy mety fifofoana aina mihitsy aza, saingy tsy tanteraka. Irariana mba ho sitrana soa aman-tsara ity tovolahy ity, ary mba ho tratra ihany koa izay nahavanon-doza.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana