Dans la mme rubrique

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

05/06/2020

Voahozongozona tamin` ny sezany taorian` ny fisian` ny resaka “Bonbon” omena ireo mpianatra rehefa avy misotro tambavy CVO mitentina 8 miliara ariary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa (MENETEP),

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

05/06/2020

Mafana ny toe-draharaha ao Toamasina, ary tsapa ho manana alahelo na tsy faly amin’ny fanjakana sy ny Filoha Rajoelina ny vahoaka any an-toerana.

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

05/06/2020

Nesorina tamin’ny toerany izany iny ny minisitry ny fanabeazana Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay afera “bonbon sucette” mitentina 8,4 miliara ariary.

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

Hamaky ny tohiny...

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

05/06/2020

Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy ara-toekarena, fa ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa mandindona mafy.

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

Hamaky ny tohiny...

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

05/06/2020

Niverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainan'ny vahoakan'ny Toamasina taorian'ny savorovoro nisy tany an-toerana ny alarobia teo noho ny nahitana ilay tovolahy tsy salama izay tsy fantatra izay nahazo azy, taorian'izay raha ny nambaran'ny governoran'ny faritra atsinanana, Richard Theodore Rafidison.

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

05/06/2020

Taorian’ny nahafantarana fa naaton’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ilay tetikasa Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka izay nikasan’izy ireo

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

Hamaky ny tohiny...

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

05/06/2020

Raha ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo tany aloha tany no mpitondra teny mahazatra ny Vondrona

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Profesora Rabesa Zafera Antoine « Tena mila mailo amin’ireo ekipany ny Filoha »

26/12/2019

Miha mitombo hatrany ny fahenoana fa maro amin’ireo mpiaradia akaiky amin’ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, na ivelany na anaty fitondram-panjakana no mpanipy hoditr’akondro sy tsy mikatsaka afa-tsy tombontsoa manokana ho azy ireo.

 

Isan’ny nahabe ahiahy voalohany tamin’izany  teo aloha teo ny minisitry ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo sy ireo mpiaradia aminy. Ny valinteny izay nasetrin’ity farany ny mpanao gazety rahateo mbola sarin-teny raha nilaza fa ariany any anaty daba-pako ny azy ny hoditr’akondro fa tsy atsipy eny rehetra. Valinteny izay tsy tena hita loatra izay handraisana azy. Maha lasa saina koa ny fanambaran’ny filohan’ny oniversiten’I Mahajanga teo aloha, izay sady mpanao politika, ny Pr Rabesa Zafera Antoine, raha nilaza fa misy depiote miisa 2 voafidy tamin’ny lokon’ny fitondrana ankehitriny, tao amin’iny faritry Boeny iny, isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanalana azy teo amin’ny toerana maha filohan’ny oniversiten’I Mahajanga azy tamin’ny fotoan’androny. Marihina fa efa minisitry ny fampianarana ambony tamin’ny andron’ny tetezamita Rabesa Zafera Antoine. Raha ny fanazavany ihany koa dia tsy tena mpanaradia izao fitondrana izao ireo depiote 2 ireo fa ny tombontsoa manokany ihany no katsahiny ka tokony hahamailo ny filoham-pirenena. Hita ho miha malaza ho ratsy ekipa hatrany, araka izany, ny filoham-pirenena ka asa izay ho fiantraikan’izany ho an’ny firenena. Azo antenaina hitondra fampandrosoana ve?

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana