Dans la mme rubrique

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

05/06/2020

Voahozongozona tamin` ny sezany taorian` ny fisian` ny resaka “Bonbon” omena ireo mpianatra rehefa avy misotro tambavy CVO mitentina 8 miliara ariary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa (MENETEP),

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

05/06/2020

Mafana ny toe-draharaha ao Toamasina, ary tsapa ho manana alahelo na tsy faly amin’ny fanjakana sy ny Filoha Rajoelina ny vahoaka any an-toerana.

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

05/06/2020

Nesorina tamin’ny toerany izany iny ny minisitry ny fanabeazana Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay afera “bonbon sucette” mitentina 8,4 miliara ariary.

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

Hamaky ny tohiny...

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

05/06/2020

Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy ara-toekarena, fa ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa mandindona mafy.

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

Hamaky ny tohiny...

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

05/06/2020

Niverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainan'ny vahoakan'ny Toamasina taorian'ny savorovoro nisy tany an-toerana ny alarobia teo noho ny nahitana ilay tovolahy tsy salama izay tsy fantatra izay nahazo azy, taorian'izay raha ny nambaran'ny governoran'ny faritra atsinanana, Richard Theodore Rafidison.

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

05/06/2020

Taorian’ny nahafantarana fa naaton’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ilay tetikasa Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka izay nikasan’izy ireo

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

Hamaky ny tohiny...

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

05/06/2020

Raha ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo tany aloha tany no mpitondra teny mahazatra ny Vondrona

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mafana ny politika Mila mitandrina ny fanjakana

26/12/2019

Ny marainan’ny 24 desambra lasa teo no nanatitra taratasy fangatahana hanao diabe miainga manoloana ny kianjaben’i Mahamasina mandrapahatonga eny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny sabotsy 28 desambra izao,

 

 

teny anivon’ny prefektioran’ Antananarivo, ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Tsy niandry ela ny valin-tenin’ny prefen’Antananarivo, Jly Ravelonarivo Angelo.  Tsy nekeny io fikasana ho an’ny antoko TIM io. Nambarany fa antony maro no nandavana izany toy ny fisian’ny « bazar de Noel » eny Mahamasina sy fitohanana be lavareny amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Tsy azo ekena ny filaharana amin’izay fitandroana ny filaminana izay fa kosa tsy manakana ny prefektiora amin’ny fanaterana fitarainana, hoy hatrany izy. Raha tsiahivina, misy tsy fetezana maro eto amin’ny firenena no mahatonga ny antoko TIM hikasa hanao filaharambe ny sabotsy 28 desambra ho avy izao ary mikasa hanatitra fitarainana sy porofo isan-karazany eny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny hetsika. Ankoatra izay, mendrika fety milamina ny vahoaka ka hamafisina ny fanaraha-maso eny ifotony hatrany amin’ny fokontany eto an-drenivohitra mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona.

Mihorohoro ny fanjakana…

Ny sabotsy 21 desambra lasa teo nisian’ny hetsika nataon’ny mpanohitra teny amin’ny Kianjan’i Magro, dia efa rakotra mpitandro filaminana hary fitaovana teny amin’ny manodidina. Tsy vitan’izay, fa mbola hita nisidintsidina nitsirika teny ambony angidim-bian’ny tafika izay tsy mazava loatra ny antony. Tombanana ho manara-maso ny zava-miseho tety ambany. Midika io fa tsy manao ambanin-javatra sy matahotra mafy ny hetsi-pitakiana amin’izao fotoana izao ny fanjakana. Miakatra tsikelikely hatrany ny maripana politika, ka mila mitandrina ny fanjakana eo anatrehan’ny fahatokisan-tena toa diso tafahoatra eo anatrehan’ny zavatra toa tsy mety ataony.

 

Marigny A. sy Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana