Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mponin’i Mahavoky Besarety Manohitra ny fanoloana ny sefom-pokontaniny

17/10/2019

Nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny mponina etsy Mahavokyfa tsy ankasitrahan’izy ireo ny fanendrena ny sefo fokontany vaovao.

 

 

 

 

Ity farany izay efa nitondra nandritry ny 10 taona ary tsy nisy zava-bitany, hoy ireo mponina nanaovana ny fanadihadiana. Angaha tsy mahita olona hapetraka mihitsy ny distrika, fa olona efa tsy mahavita dia mbola averina hitantana fokontany indray? Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana, dia tsy ankasitrahan’izy ireo ny hitantanan’izy io. “Maninona rehefa alana na esorina dia esorina avokoa  ny sefo fokontany 192 mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra, fa tsy alana tsikelikely tahaka izao ?”, hoy ilay nesorina. Misy kajikajy politika ao, fa ho avy ny fifidianana kaominaly, hoy ny fanazavana azo.. Io olana iray io no tena itambaran’ireo sefo fokontany nalana hatreto, izay efa nisy tany amin’ny 20 any ho any no efa niala tamin’izay fitantanana ny fokontany iza. Andrasana ny mety ho tohin’ny hetsika hataon’ny mponina eny Mahavoky.

                  Nitondra ny heviny ny lefitry ny sefo fokontany

Nambaran’ny lefitry ny sefo fokontany vaovao fa ny zavatra takian’ny mponina ny hanaovana ny fifidianana sefo fokontany, ka matoa notendrena amin’izay andraikitra izay dia vonona ny hampandroso ny fokontany ary andrasana io fifidianana io. Ny zoma lasa teo no natao ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta ary omaly alatsinainy no nandray ny toerany izy ireo. Hanao zava-baovao eo anivon’ny fokontany, ireto mpitantana vaovao ireto, raha ny fanazavana azo tamin’io lefitry ny sefo fokontany io hatrany, toy ny fampandrosoana sy ny mikasika ny fandriampahalemana, hoy hatrany izy.  

Sitraka r.   

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana