Actualités
Zandary tsy nanaja zon’olombelona Niditra an-tsehatra ny masoivoho iray
15/10/2019
Manoloana ny fihetsika tsy manara-dalà na, tsy manaja ny zon’olombelona,
ary misy mamoafady ataon’ny zandary sasantsasany eny am-panatanterahana ny asany, dia nanao fanambarana hentitra ny eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny komandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa omaly. Tsy handefitra velively amin’ny fihetsika tsy mendrika eny am-panatanterahana ny asa, tsy hiray tsikombakomba mihitsy na oviana na oviana amin’ireo mieritreritra ny tenany fa ambonin’ny lalàna. Mandray andraikitra feno, mampanokatra fanadihadiana, ary manatitra ireny olona ireny eny amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fanomezana fahazoan-dàlana manenjika na “autorisation de poursuite” ho an’ny fitsarana ny zandary, raha ny fanazavany. Nisy mantsy ny tatitra avy amina masoivoho iray eto amintsika nilaza fa nisy asa nataona zandary tsy manaja ny zon’olombelona. Hanokatra fanadihadiana ny zandary fa tsy hijanona fotsiny amin’izao, ka raha voaporofo fa tena nataon’ilay zandary ilay izy, dia handray andraikitra feno ny zandary. Avy tany Genève ihany koa dia naharaisana taratasy mahakasika ny tsy fanajana zon’olombelona, ka hanokafana fanadihadiana izany, hoy izy. Tsy hoe fitarainana fa tatitra ary matoa nanao izany, dia manameloka, hoy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Nisafidy ny tsy hanonana ny anaran’ilay masoivoho moa ny zandarimariam-pirenena. Raha tao anatin’ny asa araka ny tokony ho izy kosa dia anjaranay ny miaro ny zandary. Hatreto, niakatra ho 59 ireo zandary napetraka vonjimaika any am-ponja. 4 efa namoahana sazy noho ny resaka kolikoly, fikasihan-tànana ireo olona tazonina vonjimaika, firaisana tsikombakomba tamin’ny olon-dratsy,… Nahitana izany ny tany Mahajanga, Ambatofinandrahana, Betroka,…
Toky R