Fampianarana
Mampanahy ny tohin’ny Bakalorea Nitombo 59 ny voasambotra, 19 any am-ponja
15/10/2019
Tafiakatra 59 ny olona nosamborina tamin’ny raharaha bakalorea. 19 notanana vonjimaika any am-ponja, ary 7 no arahin’ny fitsarana maso akaiky na “sous contrôle judiciaire”,
raha ny fanomezam-baovaon’ny kaomandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa omaly. Mbola mizotra tanteraka ny fanadihadiana amin’izao fotoana. Ireo mpikirakira ny solosaina teny amin’ny toeram-pitokana-monina fanaovana ny laza adina dia anisan’ny nosamborina. Nahatratra 11 izy ireo. Na ny mpandrindra ankapobeny aza voarohirohy ao anatin’ny raharaha. Mpampianatra sy mpikirakira solosaina notendren’ny minisitera ho mpitoka-monina nanomana ny laza adina izy ireo, raha ny nambaran’ny zandarimariam-pirenena hatrany. Tsy nahafehy ny olony izany ny minisitera tarihin’ny minisitra Blanche Nirina Richard, izay efa nilaza fa tsy hametra-pialana satria fitsoahana andraikitra izany. Mba nanao ahoana ihany koa ny tany amin’ny fanontana ny laza adina ? Nisy voarohirohy ve ? Raha ny zava-nisy tamin’ny tambajotra facebook, dia laza adina efa voatonta no nalaina sary naparitaka. Ny andraikitra iantsorohan’ny minisitera dia ny fizoran’ny bakalorea araka ny tokony ho izy, saingy tsy vitany sy tsy voafehiny. Nanamarika kosa ny zandary fa tranga efa nisy tany aloha toy ny tamin’ny 2014 sy 2017 ny fiparitahan’ny laza adina fa tamin’ity fitondram-panjakana ity no tapa-kevitra hanenjika fa tsy avela ho vitavita ho azy fotsiny. Tsy tahaka ireny tamin’ity anefa ny fisehony, ary tsy nanakorontana ny fanadinana saika nanerana ny Nosy tamin’izany. Ny tranga tahaka ireny dia famonoana ny zaza Malagasy. Na iza na iza tsy misy maharo amin’io fa fandikan-dalàna io, hoy izy. Adihevitra nanomboka omaly ihany koa ny momba ireo niatrika ny bakalorea teknika satria efa mandeha ny resaka fitakiana fa tokony hisy « 2ème session » ihany koa ny azy ireo. Mampanahy tanteraka ny fiomanana amin’io ho an’ireo avy amin’ny sokajy ankapobeny satria fohy dia fohy ny fotoana. Taloha, isaky ny ofisin’ny bakalorea no manao ny taratasim-panadinana ary ny minisitera no manomana ny laza adina. Nakambana aty amin’ny minisitera avokoa izany amin’izao. Ho tratra ara-potoana ve ny fitsinjarana ny taratasim-panadinana sy ny laza adina ?
Toky R