Dans la męme rubrique

Mirary ny soa tokoa

09/07/2020

Mirary ny soa tokoa manoloana izao ady hatrehin’ny firenena sy izao tontolo izao izao.

Mirary ny soa tokoa

Hamaky ny tohiny...

Tsy mifidy saranga

08/07/2020

Vanim-potoana isan’ny mafy teto Madagasikara ny nisian’ny valanaretina pesta tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Somary nosokajiana ho aretin’ny mahantra sy ny sahirana satria noho ny loto sy ny fako rahateo no isan’ny nampirongatra azy.

Tsy mifidy saranga

Hamaky ny tohiny...

Fitoniana sy firaisankina

06/07/2020

Ny valanaretina COVID-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara.

Fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Lasibatra hatrany an-dapa...

03/07/2020

Tsy alohalika intsony ny ranombary, fa efa tena hatrany an-tenda. Mora ny nanamaivana ny valanaretina coronavirus tany aloha fa tsy mahery noho ny pesta sy kôlera, saingy indrisy fa efa tena loza mihantra aman’aina no miseho eto.

Lasibatra hatrany an-dapa...

Hamaky ny tohiny...

Edito Reraka ambony ihany!

02/07/2020

Tsy mitsahatry ny mitombo avo roa heny ny tarehimarika ofisialy vaovao momba ireo mararin’ny COVID 19 eto Madagasikara. Mitombo ihany koa ny isan’ny maty.

Edito Reraka ambony ihany!

Hamaky ny tohiny...

Resabe tsy nihinanan-kanina !

01/07/2020

Telo volana latsaka herinandro izay no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 8 aprily 2020, fa hisy ny fanisam-bahoaka hametrahana ilay antsoina hoe: “digitalisation”

Resabe tsy nihinanan-kanina !

Hamaky ny tohiny...

Amoron-tevana

30/06/2020

Amoron-tevana tsy misy arofanina ankehitriny ny fiainan-dRamalagasy manoloana ny adin-tsaina, mba tsy hilazana hoe horohoron-tsaina, aterak’ity taremarika momba ny aretina COVID 19 tsy mitsaha-mitombo ity.

Amoron-tevana

Hamaky ny tohiny...


Edito

Hambom-po diso toerana !

02/10/2019

Samy milaza ho tia tanindrazana ny mpanao politika eto Madagasikara. Mambabo ny olona amin’ny fametrahana ho laharampahamehana ny tombontsoa iraisana rehefa propagandy tahaka izao.

 

 

Rehefa lany anefa avy eo, dia ny tenany ihany no fantany. Mifamingana sy mifanjinja amin’ireo mpifanandrina politika aminy no anton-draharahany. Tsy mifampihaino sy tsy mifanome tànana, fa mifamotika kanefa dia samy milaza ho tia tanindrazana izao ihany. Raha miverina amin’ny tantara isika, samy nanana ny fahadisoany ireo filoha nifanesy. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa anefa ny zavatra tsara tokony halaina sy mbola trandrahina avy amin’izy ireo. Izay tonga eo, dia miseho ho be hambom-po sy hanao zavatra be sy miezaka mamafa ny dian-tanan’ny teo alohany. Na efa hita izao fa ilay teo aloha nodimbiasinano tokony hatonina na hantsoina hifanome tànana amin’ny zavatra tena hita fa tsy tafavoaka, dia aleo ny firenena no mikatso, toy izay hanana fanetren-tena hifanatona. Mila mifampihaino. Ny hambom-po diso toerana no hanaovana sorona ny firenena. Tato anatin’ny 20 taona farany fotsiny, ohatra, dia nanana filoha vitsivitsy nifandimby izay samy mbola velon’aina isika. Samy nanana ny hanitra ho azy ireo na mety misy aza ny fahadisoany avy. Misy zavatra maro mbola azo trandrahina amin’izy ireo hamahana ny olan’ny firenena. Mila miombona sy mifanolo-tanana raha tena tia tanindrazana.  Sa nahasoa sy nampisondrotra ny firenena ny fifanjinjana lava teto ? Ny trano misy olobe tsy miady zaza, hoy ny fitenintsika, ka rehefa ireo lehibe lolohavina an-tampon’ny loha no mamela ny hambom-pony, dia manaraka ho azy ny ambanilanitra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana