Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Baolina kitra-filohan’ny FMF Ho tontosaina anio ny famindram-pahefana

02/09/2019

Nandefa fampitam-baovao hoan’ny besinimaro ny Sekretera Jeneralin’ny “Comité de normalisation FMF”, Eddy Rasolofomanana, milaza fa manan-kery tanteraka ary lasa ofisialy ireo vokatra vonjimaika navoaka tany Mangily Belalanda Toliara faha-II

 

tamin’ny fifidianana natao tamin’ny 24 aogositra lasa teo. Noho izany hamafisina fa dia Atoa Arizaka Raoul Rabekot Romain no filoha vaovao hitantana an’izany FMF izany. Hamafisina ihany koa ho mpikambana 10 vaovao ao amin’ny Komity Mpanatanteraky ny FMF “CE FMF” Atoa sy Rtoa isany : Razafimamonjy Jocelyn Alberto, Lay Mein Alexandre, Raharimino Mario Rosario, Raveloarison Erick Hervé, Randrianantenaina Lucien Luc, Randriatsimialona Sandrine Michel, Jonarisoa, Randriamanampisoa Alfred, Randriamiaramisaina Niry Justin ary Vitorien Andrianony. Mbola nanambara koa ao anatin’izany fampitam-baovao izany ity SG-n’ny “Comité de normalisation FMF” ity fa ho tanterahina anio alatsinainy 02 septambra tolakandro eny amin’ny foiben’ny FMF eny Isoka ny famindram-pahefana eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny “Comité de normalisation FMF”sy ireo mpitantana vaovaon’ny FMF.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana