Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Lalàna momba ny fanoherana “Misy fahabangana”, hoy Ranesa Firiana

14/08/2019

Teto Madagasikara dia teraka, taorian`ny fandanian`ny vahoaka Malagasy ny lalàmpanorenana tamin`ny taona 2010, ny fisian`ny fanoherana manara-drafitra ao anatin`ny Antenimieram-pirenena.

 

 

 Ny lalàna no natao ho fampiharana izay voalazan`ny lalàmpanorenana. Ny tranga misy anefa dia misy fahabangana io lalàna io, hoy Ranesa Firiana, mpahay lalàna. Tsy tao ny fombafomba fifidianana lehiben`ny mpanohitra. Tsy voafaritra mihitsy tao anatin`ilay lalàna, hany ka lasa miteraka adihevitra. Tsy misy fe-potoana napetraky ny lalàna ahafahana mijoro ho an`ny mpanohitra hany ka azo lalaovina ny fehezan-dalàna, hoy ihany izy. Miantso fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera roa tonta handinihana  ny lalàna mikasika ny mpanohitra. Azo heverina fa handinika ny fanatsarana azy io ny depiote sy ny loholona mba tsy hisian`ny adihevitra intsony amin`ny fampiharana azy. Nohamafisiny kosa fa ny lalàmpanorenana dia tsy miova, izany hoe miainga avy amin`ny antenimieram-pirenena no fotora tsy maintsy hiaingana. Na io lalàna io na hisy ny fanatsarana dia tsy afaka mivoana amin`ny fotokevi-dehibe napetraky ny lalàmpanorenana. Noho izany, azo antoka fa tsy maintsy miainga avy amin`ny maro an`isa manohitra ny fivoahan`izay fandaminana mikasika ny mpanohitra sy lehiben` ny mpanohitra, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana