Dans la mme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Pasitera Edouard Tsarahame “Fametrahana rafitra ho an’ny mpanohitra no tanjona”

12/08/2019

Namaly ny antso nataon’ny Hetsika ho an’ny Fanorenana Ifotony na Hfi ny ankamaron’ireo mpanao politika tonga tetsy amin’ny Carlton, ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

 Karazana antoko politika samy hafa sy maro loko no tazana teny an-toerana tamin’io ary nisy ihany koa fikambanana hafa sy ny mpahay lalàna nanatrika ny fivoriana. Nambaran’ny pasitera Edouard Tsarahame, anisan’ny mpikarakara ny hetsika, fa raha 150 ny isan’ny seza napetraka, dia 250 kosa ireo mpanao politika no tonga tao amin’ny Carlton.  Raha ny fanazavany, dia niray feo ny mpanohitra, na dia nisy aza ireo filohana antoko vitsivitsy no nitsipika, fa niravona  izany rehefa nifampiresaka izy ireo. Ny tanjona, dia ny hanangana rafitra sy foto-kevitra iraisana amin’ny maha mpanohitra azy.  Tsy ny fametrahana ny filohan’ny mpanohitra no tiana hotratrarina, hoy izy, fa ny fametrahana ny rafitra, dia hijery izay olona  atao ho lehiben’ny fanoherana. Fitiavan-tanindrazana, hoy izy, no nampiray anay mpanohitra teto amin’ity toerana ity.  Tsy misy ny demokrasia, raha tsy misy ny mpanohitra ary tsy misy ny mpanohitra raha tsy misy ny demokrasia, hoy hatrany ity pasitera ity.

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana