Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Toavina Ralambomahay “Miezaka foana ny tsy hisian` ny mpanohitra ny fitondrana”

12/08/2019

“Misedra olana roa goavana ny fametrahana ny fanoherana eto Madagasikara” hoy Toavina Ralambomahay, mpanao politika sady mpanao gazety.

 

Voalohany, ny fitondram-panjakana mihitsy no miezaka foana ny tsy hisian` ny mpanohitra. Na ny tamin` ny andron`  ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina na koa nandritra ny fitantanana vonjimaika teo amin` ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao. Na ny Filoha Rajoelina, ankehitriny aza   dia miezaka foana tsy hisian` io mpanohitra io. Anisan` izany ny ministeran` ny atitany sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay namoaka hevitra in-droa hoe tsy azo atao ilay izy. Tamin` ny andron` i Hajo Andrianainarivelo ohatra tamin` ny 2016 sy tamin` ny  2014, izay nangatahin` ny antoko Humaniste et Ecologiste, ny fampiharana izany. Amin` izao, dia tsy maintsy didy fampiharana sy ovaina indray ny lalàna mifehy ny fanoherana eto Madagasikara, hoy hatrany i Toavina Ralambomahay. Notspihany kosa fa tanjon` ny fitondrana nifanesy dia tsy hisy ny fanoherana eto Madagasikara ary efa dimy taona mihoatra izay. Etsy ankilany kosa, hoy ity mpamakafaka politika ity, ny mpanohitra tsy mahavita mivondrona sy miresaka ka sarotra be ilay izy. Nambarany fa ny vahoalana dia ny manomana ny dimy taona manaraka, izay ny atao hoe “mpanohitra manomana ny fifidianana manaraka” ka ny akaiky indrindra dia ny fifidianana ben` ny tanàna. Mahakasika ny fametrahana lehiben` ny mpanohitra dia milaza ny lalàna fa mivory ireo antoko mijoro ara-dalàna, izay nametraka taratasy teo anivon` ny ministeran` ny atitany ka mifidy izay lehiben` ny mpanohitra. Tsy mila HCC na fanjakana izany fa afaka mifidy. Raha mifidy filohan` ny Antenimieram-pirenena ireo depiote dia tsy mila ministera,… ka toy izany ny an` ny mpanohitrra satria andrim-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana