Dans la mme rubrique

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

02/09/2019

Manomboka mipitika any amin’ny manodidina an’i Mbola Rajaonah ny ra.

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

29/08/2019

Mangataka mba hanakatona vonjimaika ny FJKM Katedraly Analakely aloha ny Pasitera Rasolomanana Jafetra hitrandrahana ny tena marina amin’ny raharaha.

RAHARAHA FJKM ANALAKELY

Hamaky ny tohiny...

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

 

 Anisan’ny akaiky indrindra ny renivohitra ary nahaontsa ny olona maro ilay tetsy Ambatonapoaka ny marainan’ny sabotsy teo. Anio no halevina ireo mpivady izay niara-maty tao anatin’ilay 4x4 izay nivadibadika rehefa vaky kodiarana tampoka teny am-pandehanana. 


GABORARAKA NY HAINO AMAN-JERY

Gaboraraka tanteraka ny tontolon’ny haino aman-jery eto amintsika. Amin’ireo « licence » izay miisa 235 izay manan-kery amin’izao fotoana dia marobe amin’ireo ny tsy manara-dalàna akory ary tamingan-taratasy dia efa nahasahian’ireo tompony nanokatra ny fahitalavitra na ny onjam-peony. Tsy nisy tsy nibizna izany ny minisitry ny serasera nifandimby teto niaraka tamin’ny ekipany, raha jerena akaiky ny raharaha. 

 DEPIOTE TSY MANAIKY

 Efa misy sahady ireo depiote tsy manaiky ny hanitsiana indray ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Ny fampiharana ny lalàna efa misy no tokony hatao fa tsy ny fanitsiana azy. Misy amin’izy ireo no eo anivon’ny antoko TIM ary misy koa ny avy amin’ny antoko tsy miankina izay miara-miombon-kevitra amin’izany. Efa ho dimy taona izao no niandrasana ny didy fampiharana ity lalàna ity kanefa tsy mety tontosa.

AHOANA NY FITSENANA IREO ATLETA ?

Tsy mba misy mihitsy hatreto ny hetsika mifandraika amin’ny fitsenana ireo mpilalao malagasy niatrika ny lalaon’ny nosy tatsy Maorisy. Efa tena nanao ezaka mafy anefa ny mpilalaontsika ary nahazo medaly volamena 47 izy ireo ka nitarika ny laharana faharoa. Io no medaly betsaka indrindra azontsika hatramin’izay ary efa tokony hipetraka ao anatin’ny tantara. Ahiana hody maina ireo mpilalao raha izao fahanginana izao. 

FATY OLONA TAMIN’NY 26 JONA

Tsy mbola nisy mangirana ny fanadihadiana momba ny tranga nahafaty olona teny Mahamasina ny 26 jona teo. Niezaka nanatona ireo tompon’andraiki-panjakana ireo fianakaviana niharam-boina fa toa tsy mbola nahita valiny ho azy ireo. Hatreto, tsy mbola nisy na dia iray aza voasambotra momba ity raharaha ity kanefa dia ampolony maro no namoy ny ainy ary zazakely ny ankabeazany. Tsy mba hiova sy hivoatra mihitsy ny fanadihadiana eto Madagasikara.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana