Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana RN1 Fiara tapaka hisatra nandratra ny mpamily sy ny kisoa nentiny

15/07/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana, ny 10 jolay 2019 sahabo tamin’ny 7 ora hariva, ny fiara mpitatitra biby fiompy iray avy any amin’ny Faritra Bongolava ihazo an’Antananarivo. Araka ny fampitam- baovaon’ny zandarimariam-pirenena avy ao Ankadilalana

 

 

 

, teo amin’ny PK 24 an’ny lalam-pirenena

RN1 bis, amin’ny tetezan’ny reniranon’ny Sakay, eo amin’ny kaominina ambanivohitra Ankadinondry,

ao anatin’ny distrika Tsiroanomandidy, fiara salantsalany iray nitondra kisoa no tapaka hisatra raha

iny hidina ihazo ny tetezan’io reniranon’ny Sakay io.Nirifatra izay tsy izy ilay fiarakodia tsy nisy tsako kodiarana ka tsy voafehin’ny mpamily ary nidona tamin’ny sisin-dalana. Vokany naratra ilay mpanamory 59 taona avy eny Itaosy Atsimondrano. Naratra torak’izany koa ireo biby fiompy izay nentiny, simba tanteraka ilay fiara. Nidina teny an- toerana nanatanteraka ny fitsirihana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ankadinondry. Nalefa namonjy ny ivon-toeram-pitsaboana ao amin’ny CSB II Ankadinondry ilay maratra. Ny zandarin’Ankadinondry ihany no misahana ny famotorana.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana