Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitsenana an’ny BAREA Efa hita avokoa ireo zaza very ny sabotsy teo

15/07/2019

Maro ireo nitaraina very zaza nandritra ny fitsenana ny ekipam-pirenena Barea , ny sabotsy hariva teo, indrindra ny teto Antananarivo Renivohitra. Nisy nampiely izany tamin’ny tambazotram- piarahamonina. Rehefa nanontaniana ny mpitandro filaminana dia tsy nanda ny fanjavonan’ny ankizy

 

 

 

 

nandritra ny alin’ny sabotsy teo izy ireo.Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena anefa dia efa hita avokoa izy ireny. « Noho ny fifanosehana sy fibosesehan’ny mponin’Antananarivo, tamin’ireo lalana nolalovan’ny ekipam-pirenena, indrindra ny alina no nitrangan’ny fanjavonan’ireo zaza ka tafasaraka tamin’ny ray aman-dreny na ny olon-dehibe izay nitondra azy ireny. Efa nisy toerana manokana anefa nametrahana ireo very ankizy sy zaza very ka efa hita daholo izy ireo. Io paik’ady tamin’ny fanokanana toerana manokana sy ny antso tsy misy farany natao io no nampilamina izany.» Araka ny tafa manokana nifanaovana tamin’ny zandary tomponandraikitry ny serasera afak’omaly alina sy omaly. Voatandro ny filaminana amin’ny ankapobeny, tsy nahitana naratra na maty. Nanamafy izany ny tompon’andraikitry ny tranom-paty eo amin’ny hopitaly HJRA. “Tsy nahitana fahafatesana na iray aza ny fitsenana ny Barea.”Hoy ity farany. Ho voninahitry ny ekipam-pirenena sy ny firenena Malagasy filaminana izany araka ny resaka manokana nifanaovana tamin’ireo mpitandro filaminana. Manana adidy mampita vaovao ireo rehetra nilaza zaza very rehefa hita izy ireny, indrindra ny tambazotram-piarahamonina sy ny serasera, hoy hatrany ny mpitandro filaminana mba tsy hanjakan’ny vaovao diso.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana