Dans la mme rubrique

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

04/04/2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

Hamaky ny tohiny...

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

Hamaky ny tohiny...

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

04/04/2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

04/04/2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

Hamaky ny tohiny...

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

04/04/2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

03/04/2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

CNaPS sy Ministeran’ny Asa tany Manakara Miezaka mametraka ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa

15/07/2019

Laharam-pahamehana ny fanomezana asa mendrika ho an’ny mpiasa Malagasy manerana ny Nosy.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tsy an-kanavaka izay hitondran’ny CNaPS  fanentanana ny mpampiasa sy ny mpiasa ny lalàna mifehy ny asa, ny zon’ny mpiasa, ny fifanarahana arak’asa, ny fiahiana ara-tsosialy rehetra manomboka any am-bohoka,… Anjaran’ny Distrikan’i Manakara no nandray ny fampiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy izay nokarakarain’ny CNaPS sy ny Ministeran’ny Asa ny 10-12 Jolay 2019, tao amin’ny Salle d’Œuvre LPM (Lycée Présentation de Marie) fokontany Antanambao Manakara. Mpampiasa, mpiasa, lehiben’ny orinasa, mpiasam-piangonana, fikambanana tsy miankina miisa 100 no nisitraka izany, ka anisany nanokatra ny fiofanana tamin’ny fomba ofisialy ireo manam-pahefana tao an-toerana izay nahitana ny prefet, ny lefitry ny ben’ny tanàna, ny lehiben’ny faritra, ny talem-paritry ny asam-panjakana, ny fampananan’asa ary ny fiahiana ara-tsosialyny talen’ny CNAPS Manakara Atoa Randriamamonjiarison Rivo.  Anisan’ny nahaliana ireo mpiofana ny fampahafantarana ny atao hoe “Santé et sécurité au travail” na ny fiahiana ara-pahasalamana sy ny aro loza eny amin’ny toeram-piasana. Nohazavaina antsipiriany momba ny fikajiana ny vola tokony ho azo amin’ny trangan-javatra miseho amin’ny mpiasa toy ny loza sy ny aretina ary ny nahaliana ny maro dia ny fisotron-dronono .Nisy ny fidinana ifotony sy ny fitetezan’ny “TASK FORCE” nahitana ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Asa sy ny CNaPS ireo orinasa tsy miankina tao Manakara hatrany Vohipeno.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana