Dans la mme rubrique

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra omby Manampahefana maro voasaringotra amin’ny taratasy famotsiana

11/07/2019

Efa hatramin’ny volana jona no nokarohina ireo dahalo dimy lahy.

 

 Ny herinandro lasa teo vao nifanjevo niaraka tamin’ny mpitandro filaminana avy amin'ny Borigady Andriadapy izy ireo. Nahazo fampitam-baovao mantsy ny zandary fa mihaodihaody any Ilakaka izy ireo ka natao ny vela-pandrika ary nahazoana vokatra. Tratra niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny taratasy famotsiana omby halatra. Fantatra ihany koa fa misy tompon’andraikitra tafiditra sy voasaringotra amin'ity raharaha halatra omby ity. Raha ny loharanom-baovao any an-toerana, eo am-panatanterahana ny famotorana amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany voakasika ny mpitandro ny filaminana. Tafiditra ao anaty fanadihadiana ireo manampahefana any ifotony tahaka ny any amin’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika, hatrany amin’ny lehiben’ny faritra sy ireo delegem-panjakana mpiandraikitra ny boriborintany sy ny veterinera. Efa natolotra avy hatrany ny fampanoavana tao Betroka izy dimy lahy, taorian'ny famotorana nataon'ireo zandary  ary efa naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy araka ny loharanom-baovao any an-toerana.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana